Mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo – Handray anjara mavitrika amin’ny Miara-manonja

Helisoa

Manoloana ny raharaham-pirenana ankehitriny, izay misamboaravoara mandeha any amin’ny tsy izy intsony dia nanao fanambaràna omaly, ny mpanolotsaina ny tanànan’Antananarivo Renivohitra tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tao Bel’Air Ampandrana. Nanambara ireto farany, fa ho isan’ny mpandray anjara mavitrika ao anatin’ny fandaharana MIARA-MANONJA, hanapotsipotsitra ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena, sy hitondràny ny hevitry ny mpanolotsaina ny tanàna mahakasika ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra amin’ny ankapobeny, ary hampisehoana ny hetaheta sy ny fitarainan’ny mponina izay marobe.

Ny mpanolotsaina ny tanàna dia mitaona ny mponina eto Antananarivo Renivohitra hanatona azy ireo , ary manasa ny rehetra hanaraka tsy tapaka ny fandaharana MIARA-MANONJA izay mandeha mivantana amin’ny MBS, IBC, AZ RADIO ary ny RADIO MADA izy ireo. Farafahakeliny hoy ny fanambaràna dia isaky ny talata no hiakatra ao amin’io fandaharana io izy ireo.