Vehivavy TIM sy fanampiana gadra politika – Mitohy hatramin’ny 31 martsa ny opération Madeleine

Helisoa

Miezaka hatrany ny Vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM), mikaroka ny fomba rehetra hanangonana vola hanampiana ireo gadra politika miisa 12 mianadahy voatazona eny Antanimora tsy ara-drariny.

Nisy araka izany ny fanavaon’ireto vehivavy ireto opération Madeleine izay 3000 ariary no vidiny. Ny vola azo amin’izany dia entina hanampiana ireo voafonja. Hatreto anefa araka ny fanambaràna nataon’ny mpikarakara dia mbola mila ezaka satria dia 350 no lafo.

Manoloana izany indrindra, mbola misy ny ezaka tokony hatao. Araka ny fangatahan’ireo mpikambana vehivavy TIM dia mbola mitohy hatramin’ny faran’ny volana izao ny opération Madeleine ity. Izay efa nanao ny commande dia rahampitso alarobia no mizara azy ny mpikarakara. Ny hetsika tolo-tanana dia mbola mitohy hatrany, koa manentana ny rehetra izay terem-panahy ny vehivavy TIM hanampy azy ireo ho fanampiana ireo voafonja.