Village Voara Andohatapenaka – Tsy milamina mihitsy ny fandraisana marary

Stefa

Tsy milamina mihitsy ny fandraisana marary eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka amin’izao fotoana mahakasika ny valanaretina covid19. Olona hita fa misy soritr’aretin’ny coronavirus, ora maromaro izy ireo tsy voaray teny an-toerana, filaharambe ihany koa no nisy raha ny omaly, ka vao mainka mety hifamindra aretina ireo olona marobe te hamonjy ny tenany.

Ankoatra izany, mametra-panontaniana ireo tonga eny: inona moa no azon’ny dokotera sy ny mpitsabo ao anatiny atao raha ny fitaovana tokony hampiasain’izy ireo aza tsy ampy sy ferana? Olona iray tsy mitonona anarana teny an-toerana omaly no nijoro vavolombelona:” Izaho io izany tsy fantatra na voan’ny Corona indray, fa dia miverina ilay signe nahazo ahy taloha: mikohaka sy marary tratra sy mararirary an-doha hafahafa dia nandeha OSTIE dia nalefan’ny OSTIE aty amin’ny Village Voara manao test, na fitiliana. Efa hatramin’ny 10ora no taty fa hatramin’izao tsy mbola voaray. Ny tena mampihomehy, nanomboka hatramin’ny 11 ora teo izahay tsy hay hoe ahoana na ahoana, voaray ve sa tsia, fa tsy misy mpandamina sy tsy misy manao filazana hoe ahoana ny tohiny? Olona 3 no ato mandray olona fa ohatrany hoe mandray olona izay hanao traitement CVO hono no ataon-dry zareo, fa tsy mampanao test. Hoe miandry dokotera. Dia hoe miandrasa eo ihany fa misy mandray eo ihany ianareo. Miandrasa numéro, numéro tsy hay hoe aiza, iza no manome? Dia ato hatramin’izao samy mihainohaino tsy hay hoe ahoana. Ny any ivelany mbola tsy vahoaka.

Resak’olona tato ihany koa no nilaza, tsy haiko izay fahamarinany: hoe olona 300 isan’andro ihany no raisina. Misy indray hoe hatramin’ny 12 ora,… Raha izay zava-misy eny Andohatapenaka izay, samy manana adidy amin’ny fiarovana ny tenany ny tsirairay, ny andraikitry ny fitondrana dia ny miaro sy miahy ny vahoaka. Raha izao zava-misy izao, tsy vitan’ny fitondrana ny andraikiny amin’izao valanaretina miha-mahazo vahana izao indray.