Lalao Etiopia sy Niger – Hiova endrika ny ekipan’ny Barea

Ny Valosoa

Mipetraka ny fanontaniana raha mbola hitohy amin’ny endriny mampalaza azy izao ny ekipa nasionaly Barea, izay tena lasa lavitra ny taona 2019 tamin’ny nahatodiavany teo amin’ny faha-efa-dalao na “quart de finale” tamin’ny fifaninana ho tompon-dakan’ny baolina kitra eto afrika na Coupe d’Afrique des Nations (CAN).

Maro ao amin’ny Barea ireo mpilalao matihanina avy any ivelany izay miasa sy mivelona amin’ny alalan’ny baolina kitra anaty klioba ary isan’izany i Bolida na Lalaina Nomenjanahary. Niditra mivantana tao anaty ny tambazotra serasera moa ity farany nanazava momba ny tsy handraisany anjara amin’ireo lalao fifanintsanana CAN 2022 roa sosona ho avy hifandonan’ny Barea amin’i Etiopia sy i Niger.

Ny antony lehibe voalohany tsy andraisany anjara dia vokatry ny fepetra vao navoakan’ny federasiona iraisampirenenan’ny baolina kitra na ny FIFA, izay mametraka fa zon’ny klioba ny tsy mamela ny mpilalaony handray anjara amina lalaon’ny ekipa nasionaly. Araka izany dia zon’ny talen’ny klioban’ny Paris FC izay ilalaovan’i Bolida ohatra ny tsy mamela azy handray anjara amin’ireo lalao roa ireo miaraka amin’ny Barea. Mitombina ny fanapahan-kevitry nataon’ity klioba ity raha raisina ohatra ny nahazo an’i Bolida vokatry ny faharatrany (voadona ny “ligaments croisés”) nandritra ny lalao tany Côte d’Ivoire. Voatreron’ny mpitantana tao amin’ny Paris FC i Bolida rehefa tafaverina tao Paris, satria salama ianao hoy izy no niala kanefa tsy nisy fandraisana andraikitra avy amin’ny federasiona malagasy mikasika ny fitsaboana rehefa naratra. Dimy volana i Bolida no tsy afaka nilalao, ary ny tao amin’ny Paris FC no niantso azy isan’andro mikarakara sy manontany fahasalamana fa tsy nisy olon-kafa niraharaha. Vokatr’izany dia lalao miisa 15 no tsy nandraisany anjara.

Tonga tao amin’ny klioba àry ny fiantsoana ny alahady 7 marsa avy amin’ny federasiona, mikasika ny lalao roa ho ataon’ny Barea any Etiopia sy any Niger. Nampiantso an’i Bolida ny mpitantana tao amin’ny Paris FC ary nilaza fa tsy hamela azy handeha. Eo hoy izy ireo ny ezaka nataon’ny klioba itsaboana sy amerenana anao amin’ny fahafahana milalao, ka ny “sasany indray ve no hiravaka ny vanginy”. Eo koa ny paikadin’ny klioba manoloana ny “barrage” iakarana “Ligue 1”, ka raha tafaverina ny 1 aprily dia tsy afaka hiatrika ny lalao amin’i Sochaux ny 3 aprily, noho ny fepetra amin’ny “Covid” dia mila atoka-monina. Ka na teo aza ny faniriana handray anjara, izay am-pitiavana feno fa tsy misy na ariary aza raisina avy amin’ny federasiona, dia nanaiky izay tapaky ny klioba i Bolida. Naneho ny alahelony koa ny tenany mikasika ny tena fanesoesoana nataon’ireo mpanaraka azy toy ny hoe “tokony hijanona fa efa mahazo taona” na koa hoe “mampifilafila”, saingy tsy misy mahasakana vavan’olona araka ny efa hita andavanandro eny.

Tamin’ny 17 marsa teo koa, dia nandray fanapahan-kevitra ny Ligue de Football Professionnel (LFP) any Frantsa fa tsy hamela ireo mpilalaony handray anjara amina lalao ivelan’ny Union Européenne mandritra ny volana Marsa. Ary vao nivaoka koa ny fepetra ara-pahasalamana izay mametraka ny fihibohana manomboka ny 19 marsa mandritra ny iray volana. Araka izany dia tsy handray anjara amin’ny lalao roa manaraka ireo koa ry Abel Anicet, Jérémy Morel, Jérôme Mombris sy Mathyas Randriamamy.

Miova endrika aloha eto araka izany ny ekipan’ny Barea. Mbola hiverina amin’ny endriny nahafantarana azy tamin’ny taona 2019 ve ny ekipa nasionaly sa pejy vaovao indray? Ny ho asetrin’ity valanaretina ity sy ny fihetsiky ny klioba no hilaza azy ao aoriana ao.