RMDM Toliara – Tsy rariny intsony ny ataon’ny fitondrana ankehitriny

Helisoa

Nanatanteraka fambolen-kazo ny vehivavy RMDM any Toliara, faritra Atsimo Andrefana ny andron’ny vehivavy 8 martsa lasa teo. Nandritra izany dia voatazona tao amin’ny tobin’ny mpitandro filaminana ilay olona iray, satria nampindrana FIARA nitaterana ireo zanakazo nambolen’ireo vehivavy RMDM tamin’izany.

Nametraka fanontaniana ireo vehivavy RMDM araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo, fa tsy azo atao intsony ve ny miara-monina amin’ny olon’ny RMDM sy MIARA-MANONJA, fa manelingelina ny fanjakàna?

Nanao filazana ny RMDM TOLIARA, fa tsy rariny intsony ny zavatra ataon’ny mpitondra fanjakana ankehitriny, fa lasa manome baiko amin’ny zavatra tsy tokony hatao. Fambolen-kazo ve dia tokony hasiana olana?