20 Marsa – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao. Momba ny cas graves sy hopitaly manara-mpenitra. Cas grave anie ireto olona ireto e! dia oxygène mural kely fotsiny ve no mba fitaovana misy ao? Cas grave izany anie ka mila réanimation e! Voalaza fa 80% ny poumons efa simba tanteraka, nefa tsy misy fitaovana assistance respiratoire eo anilany na kely aza.

Izao ve no fomba fandraisana cas grave eto Madagasikara? Tena efa famonoana olona tsotra izao. Efa niteny foana aho vao nanomboka ity pandémie ity. RESPIRATEURS RESPIRATEURS no nodradradradraiko tsy ankijanona tamin’izany. Ireo cas grave ireo anie izany dia “miandry fahafatesana fotsiny” raha izao tsy fahampian-pitaovana izao. Olona efa potika poumons tanteraka ve dia mieritreritra ianao fa oxygène avec un masque à haute concentration no mba fitaovana misy?

Dia tena hoe maty “asphyxié” daholo ilay olona ary tena mampalahelo tanteraka.
Dia mbola averiko ihany fa lazaina manarapenitra ny hopitaly, manarapenitra amin’inona? Manarapenitra amin’ny ahoana? Dia mibaribary izao raha mitsaoka izy mianakavy mitsabo tena amin’ny VOLAMBAHOAKA any ivelany, fa natao ho an’ny vahoaka madinika io hopitaly tsy ampy fitaovana io.

Satria ny ain’ny mpitondra ve izany dia ain’olombelona fa ny vahoaka dia aina biby?
Farany, mbola CVO CVO efa tsy nahitambokatra io foana no dradradradraina, na ilay minisitra ny santé izay “profesora” aza dia noho ny fitiavan-tseza dia latsaka anaty rediredy tahaka izao.

Fa ianao no iza? Ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao miady hahazo vaksiny daholo. Ka ianao no hi-geste hoe tsy mila? Fa gaigy daholo ve ireo scientifiques kalaza manerantany ireo fa ianareo no tena favoris?

Ny système de soins amin’io tena tsy misy dikany, RESPIRATEURS tsy misy, oxygène izay base aza hifandroritana. Dia miseho milay hoe tsy mila vaksiny! Izy mianakavy amin’io angamba manao vaksiny miafina daholo.

Nankaiza ireo miliara tsy hita isa fanampiana, no herintaona aty aoriana tsy misy zavatra niova na kely aza ny système de soins eto Madagasikara. Nankaiza ny vola? Dia ny vahoaka izay efa lanaky ny fahantrana sy hanohanana no mbola mijaly miady amin’ny aretina tsy misy vola tsy misy fanafody, tsy misy fitaovana.

Ka dia azo kilasiana ho tahaka ny GÉNOCIDE, na koa CRIME CONTRE L’HUMANITÉ izao ary ho tsaraina ny amin’izany ireo mpitondra eto Madagasikara ireo atsy ho atsy, raha izao ataony izao no mitohy.

Elia Andriamparany
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao