EDITO 18 Marsa – Mpitandro filaminana no itazonana fahefana – Misy farany anefa ny zavatra rehetra

Helisoa

Mandalo fotoan-tsarotra ny fiainanan’ny Malagasy ankehitriny, noho ny fahantrana mahazo ny tokantrano maro an’isa. Ankoatra izay, mampitombo ny fahasahiranana izay efa misy eo amin’ny vahoaka ihany koa, ny tsy fandoavan’ny fanjakàna ireo zo isankarazany tokony ho sitrahany. Mihetsiketsika ankehitriny ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo saika nanerana an’i Madagasikara, mitaky ny vatsim-pianarana 4 volana miampy fampitaovana. Niafara tamin’ny fisamborana sy fandatsahan-drà namoizana aina mihintsy moa izany.

Manoloana izany indrindra dia tsy mipetra-potsiny ireo fikambanana maro samihafa na antoko politika io, na fikambanana tsotra, ny rodoben’ny mpanohitra eto Madagasikara RMDM, ny Vondrona Panorama , ny solombavambahoaka, manatsikafona ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena. Volana vitsy izay, misy ny fandaharana “Miara-manonja “, izay sehatra entin’ireo depiote sy olona maro samihafa maneho ny heviny hampisehoana mibaribary ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena ihany koa. Tsy nipetraka tamin’ny fanehoan-kevitra amin’ny fahitalavitra sy onjampeo fotsiny ireo mpanohitra , fa nangataka ny kianjan’ny 13 mey sy Ambohijatovo hanehoana hevitra. Tsy arak’izay anefa no nisy, fa dia mpiandro filaminana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika no nitsena ireo vahoaka saika haneho hevitra sy hihaino ny tatitra nataon’ny solombavambahoaka teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny 20 martsa 2021 lasa teo. Olona niakanjo mena miisa 12 notondroina molotra, no nosamborina sy nampidirina amponja eny Antanimora.

Mahakasika io kianjan’ny 13 mey io, nanambara ny Miara-manonja fa tsy maintsy mbola hiverina ho eo izy ireo amin’ny fotoana maha-mety azy. Ankoatra izany, ny filoha Marc Ravalomanana nanambara tamin’ny fandaharana Miara-manonja, fa fampitahorana izay maneho hevitra no ataon’ny mpitondra amin’izao; amin’izay ireto farany afaka manao izay tiany atao. Izay tokoa no zava-misy ankehitriny, fampiasàna ny mpitandro filaminana sisa no itazonana ny fahefana. Dia mandrampahoviana ny fampiasana hery sy fanagadràna? tadidio fa tsy maintsy misy farany ny zavatra rehetra.