Filoha Ravalomanana, Miara-manonja – Manohitra ny mpanohitra no olana vahan’ny mpitondra

Ny Valosoa

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fandaharana Miara-manonja amin’ny hendriny vaovao, taorian’ny dingana lehibe vita tamin’ny tatitra natao tao Magro Tanjombata ny sabotsy 6 martsa 2021. Omaly 17 martsa, dia ny filohan’ny antoko TIM no sady lehiben’ny mpanohitra ao amin’ny Rodoben’ny Mpanohitra Miaro ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM, Marc Ravalomanana, no vahiny manokana tonga nanome voninahitra ny fandaharana, sy nizara ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena am-pahasahiana sy am-pahamarinana.

Ny alatsinainy teo dia nampanantsoina ny mpitantana ao amin’ny RMDM hanatrika fivoriana. Saika namaly ny fiantsoana daholo izy ireo (95%), tao ny avy any Mahajanga, Toamasina, Toliara. Lohahevitra roa lehibe no nivoitra tamin’izany dia ny ara-pahasalamana manodidina ny aretina COVID-19, sy ny toe-draharaha manodidina ny jadona miha-mahazo sehatra ka ahitàna karazana paikady maloto maro amin’ny fikasan’ny sasany hanasarahana ny RMDM.

Ny COVID-19

Mirongatra ny aretina araka ny tatitra nataon’ireo solontena avy any amin’ny faritra. Tsy hita intsony izay atao fa tsy misy ny fitaovana. Any Mahajanga, na ny lehiben’ny hopitaly maty, profesora, mpisolo vava maty, mpampianatra maty, mpanao politika maty. Any Toamasina , miantso vonjy ny avy any Maroantsetra fa misy olona efatra tratran’ny COVID-19 amin’ny fomba mahery vaika. Milaza ny ao Toamasina fa tsy afaka mandray. Dia jerena fotsiny ny marary miandry fahafatesana. Miha-maro ny vatapaty tazana eny ambony fiara.
Nandainga ny fitondrana raha nilaza fa voafehy ny valanaretina. Ny hany fanefitra fantatra manerantany dia vaksiny hatreto. “Tsy maintsy mitady hevitra hiarovana ny Malagasy ianareo. Tsy maintsy miresaka ianareo na manao négociation”, hoy ny filoha Ravalomanana.

Teboka telo no nofaritany, ho lesona ho an’ny filohan’ny repoblika mikasika ny antony ilàna azy eo anivon’ny firenena dia: miaro ny vahoaka, miaro ny lanjambola, miaro ny tanintsika. Ny ain’ny vahoaka aloha eto no laharampahamehana. Ka raha tena hiaro ny vahoaka ny filohan’ny repoblika dia tokony handiso ny ministry ny serasera avy hatrany ary mandeha manao négociation mikasika ny fanafarana vaksiny.

Valo no karazana vaksiny fantatra fa amidy eo amin’ny sehatra iraisampirenena ary tsy ahitàna resaka CVO aloha hatreto. Niteny ny ministry ny serasera, fa tsy hanafatra vaksiny kanefa misy ny mpitondra manao vaksiny any ambadika any mivoaka any ivelany. Koa inona no antony tsy anafarana vaksiny ho an’ny Malagasy. Sa tsy lafo ny entana dia ny CVO? Toa milaza hoe aleo ho faty eo ireo, hoy ny fanambarany.

Hoy ny filoha Ravalomanana: “Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hiverina amin’ny teniny ireo … fa sao dia hambompo no mahatonga azy tsy hanafatra … tsy aleo ve mba milefitra dia ain’olona no vonjena”. “Minoa aho ianareo fa tsy maintsy hiverina hifampiresaka amin’ny OMS ireo, hilaza hoe eny àry fa inona no tokony hatao hahazoana ilay fanefitra (rehefa tsy te-hilaza hoe vaksiny) amin’ity COVID ity, satria izahay nanana fa tsy mbola vitanay ny anay, mbola taraiky be”.

“Izaho sao dia heverinareo fa tsy hahazo an’io. Hahazo an’io aho. Hiresaka amin’ireo firenena ireo aho ary mila ny karatra vaksiny. Dia tsy hamela anareo koa aho. Dia raha mahazo aho, anjaranareo ny misafidy.”

Ny jadona

Ho gejaina tsy afaka hivoaka eto Madagasikara izany ny vahoaka ankoatr’ireo mahitahita.
Nofaritan’ny filoha Ravalomana hoe telo no antony mampirodana ny firenena iray: tsy fahaiza-mitantana, loza voajanahary, ady an-trano lehibe. Ny mahazo eto Madagasikara dia tsy voatantana araka ny tokony ho izy ny firenena. Misy ny ahiahy eo amin’ny mpamatsy vola satria mandainga ny tomponandraikitra. Tsy misy ny mangarahara eo amin’ny fiavian’ny entana sy ny vokatra azo.

Mandeha any amin’ny fanapenam-bava ny firenena. Mpianatra mitaky ny zony fa mijaly dia voadaroka baomba mandatsa-dranomaso. Solombavambahoaka manao tatitra an-tanampolo sakanana amoahana fitaovampiadiana avo lenta toa misy ady an-trano lehibe. Olona manao akanjo menamena tonga dia samborina sy gadraina. Akatona ny haino aman-jery MBS eo anivon’ny StarTimes, Canal+, Parabole.

Korontanina ny RMDM amin’ny alalan’ny tsaho fa matoa atao ny Miara-manonja dia mitady toerana. Voarakitra ao anatin’ny tatitry ny fivorian’ny RMDM fa “isika tsy mitady toerana, fa izay mahasoa ny vahoaka”. Raha misy ny fanapahan-kevitra dia miresaka amin’ny depiote, ny RMDM sy ny vahoaka.

Hoy ny filoha Ravalomanana: “Ahoana amin’ny maha-filohan’ny RMDM ahy, no handeha ilazako fa handeha hitady toerana? Tsy hitady toerana izany mihitsy aho, fa ny tadiaviko dia fiarovana ny olona amin’ny ainy. Ary tsy hamelako fa tsy maintsy hitady an’izay aho. Raha misy milaza fa mpikambana ao anaty RMDM ary hiditra amin’ny fiaraha-mitantana, dia azy ny azy, ary manala ny tenany tsy ao amin’ny RMDM izany. Nisy nikasa ny tsy hanaja fitsipika ary voaroaka.”

Tsy mitovy ny olana vahan’ny vahoaka sy ny mpitondra. Ny an’ny vahoaka dia ny sakafo ho haniny sy ny fandriampahalemana no laharampahamehana, ny an’ny mpitondra kosa ny manohitra ny mpanohitra, ny anampina ny vavany, ny fisian’ny mpihaino ny Miara-manonja.

Fa ny zava-doza hoy ny filoha Ravalomanana dia ny mpitandro filaminana sy fitsaràna atao fitaovana politika ho an’ny mpitondra sy fanaovana ramatahora dia mitory, fa mankany amin’ny didy jadona ny firenena.

Ny hafatra farany avy amin’ny filoha Ravalomanana manoloana ny toe-javatra ankehitriny dia ny fitondrana am-bavaka ny asa rehetra izay atao. Andriamanitra mahalala izay ao am-po. Anjaran’ny tsirairay ny manitsy ny tenany. Dia homba ny Malagasy mandrakariva anie Andriamanitra.

Mahereza ry Miara-manonja, mahavità be ary milazà ny marina, hoy ihany izy.