Tanora RMDM sy Union des Jeunes pour la Révolution – Mitaky ny famoahana ireo gadra politika 12 mianadahy

Ireo tanora nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel’Air.

Nangonin’i Stefa

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny antoko TIM, sy ny RMDM, tetsy Bel’Air Ampandrana afak’omaly, ny tanora RMDM, sy ny Union des Jeunes pour la Révolution. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’izany mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana.

« Izahay tanora ato amin’ny vondrona RMDM sy ny Union des jeunes pour la révolution dia manao izao fanambaràna izao : tsapanay ankehitriny ny fangirifirian’ny Tanora Malagasy satria :
. Tsy hita taratra ny ho avin’ny tanora.
. Maro ireo nahita fianarana , nefa firy amin’izy ireny no mba mahita asa .
. Ao koa ireo izay tsy afaka manohy izany noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny ray amandreny.
. Miakatra isan’andro ny vidim-piainana eto Madagasikara ; maro amin’izy ireny no very fanahy mbola velona , ka lasa mivarilavo : eo ny olan’ny JIRO sy RANO ; eo ny tsy fandriampahalemana.

Hita ankehitriny ny fanapenam-bava amin’ny endriny maro . Anisan’izany ny tsy fahafahana maneho hevitra , ny tsy fahafahana mivezivezy malalaka eto amin’ny tanin’ny Repoblika. Ka noho ireo antony voalaza ireo dia mijoro izahay tanora hiady amin’ny jadona. Miantso antsika tanora rehetra, fa tompon’andraikitra amin’ny ho avin’ny firenentsika isika. Ny fijoroanao androany no antoky ny fiainanao rahampitso  ka tsy tokony ho lalaovina ny ho avintsika tanora. Mitaky ny famoahana azy 12 mianadahy voafonja koa izahay ».