Faminaniana ho an’ny firenena

Nangonin’Isambilo

Hiova endrika kely ny Hadihady eto amin’ny gazetinao androany. Fanehoan-kevitry ny HMF, na ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana mahakasika ny raharaham-pirenena no ho eo amin’ny toerany androany. Manadihady sy mamakafaka ny raharaham-pirenena izay koa ny HMF ireto ary ampifandraisiny amin’ny Soratra Masina izany.

« Ny fahamarinana manandratra ny firenena; fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ny olona » (Ohabolana 14,34), izay no hitondran’ny HMF ny FAMINANIANA HO AN’NY FIRENENA.

Manan-kolazaina amin’ny firenentsika Andriamanitra anio fa isika Malagasy dia azo sokajiana ho vahoakany ; tsy vitsy amintsika no Kristianina vita batisa na batemy , mpandray ny Fanasan’ny Tompo na vita Kominio na koa finoana hafa miantso ny Anaran’Andriamanitra. .. Rehefa natahotra an’Andriamanitra ny Mpitondra sy ny vahoaka dia « miadana » ny firenena (2 TANTARA 20,30).

Koa manoloana ny zava-misy eto amin ‘ny firenena dia tery am-panahy tanteraka izahay , hitondra izao hafatra izao ho an’ny firenena , indrindra ho an’ny Mpitondra , ny Mpanao politika , ny miaramila , ny Mpitsara , ny fiaraha-monim-pirenena , ny vahoaka rehetra mahalala an’Andriamanitra :

1.« … Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho nyolona. » (Asan’ny Apostoly 5,29). Koa manainga antsika Kristiana manam-panahy rehetra na inona na inona andraikitrao mba tsy hamono ny feon’ny fieritreretana ka handika ny didin’Andriamanitra ny amin’ny fanajana ny aina sy ny fahafahana ary ny fihavanana fa hanome Hasina sy Hijoro amin’ny maha-vita Batisa sy maha-Mpandray Fanasan’ny Tompo na Kominio, hijoro amin’ny maha-Kristianina sy olom-pirenena vanona ka tsy hananteraka asa mifanohitra amin’ny Sitrapon’Andriamanitra na hanitsaka ny rariny ka hampitondra alahelo ny vahoakany izay efa sahirana rahateo, fa :« Izao no lazain’i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondra tena, ary aza mandatsaka rà marina amin’ity fitoerana ity. » (Jeremia 22,3).

2.« Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. »

Manao antso avo ho an’ny Kristianina sy ny olona matahotra an’Andriamanitra rehetra na inona na inona firehany mba ho mpandray anjara amin’ny fampanjariana ny fahamarinana, dia ny rariny sy ny hitsiny ho tonga fiainan’ny firenentsika . Izany dia mba ho fanarenana ny firenena izay efa rotiky ny Krizy niverimberina . Isika no nolazain’i Jesoa hoe « Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. » (Matio 5,14). Isika no antenaina hitondra fahazavana eto amin’ny firenena fa tsy ny mifanohitra amin’izany . Isika no antenaina hiala sy handao ny kolikoly amin’ny endriny rehetra ; isika no antenaina hampakatra avo ny hasin’ny fihavanana ka hikolo sy hitandro ny “fihavanan’ny mpiray tanindrazana tsy ho rava” na dia ekena fa tsy maintsy misy ny hevitra tsy mitovy . Ny vanim-potoanan’ny Karemy toy izao dia mampahatsiahy antsika fa MPANAFAKA isika: « Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefany ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? » (Isaia 58,6). Fotoana famitranam-pihavanana amin’Andriamanitra sy ny namana ny Karemy koa aoka hahay manararotra izany isika.

3.« Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; nymahitsy no hahita ny tavany*.» (Salamo 11,7). Manainga antsika ho sahy hijoro vavolombelon’ny Tompo amin’ny fahamarinana iainana fa tsy am-bava na vola na ny tenda ihany . Aoka tsy resin’ny fiandaniana isika fa hanana maso mijery marina ary sofina mihaino tsara ny tena zava-misy ka hivavaka ho an’ny firenentsika mba hanjakan’ny fihavanana sy ny fiadanana. Aoka izay mahalala an’Andriamanitra rehetra hanao asa mifanaraka amin’ny maha-Kristianina sy maha-mpino azy fa tsy ho voatarika amin’ny asan’ny devoly izay mahatonga antsika hifandramatra sy hifandrafy ary hifamono sanatria!. Andrasan’ny vahoaka avy aminareo Mpitondra sy Mpanao politika isan-tokony ary mitonona ho Kristianina ny mba hitandro mandrakariva ny “fahamarinana “ ka hilaza izay tena marina amin’ny vahoaka ary hahazaka fifanitsiana sy fanakianana ary hanaiky fa tsy misy ny tonga lafatra ka hanitsy hatrany ny dia , anisan’izany ny fanehoana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka sy ny harem-pirenena. Fa ireto dia zavatra halan’Andriamanitra « Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy. » (Ohabolana 6, 17 – 19).

4.« Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ny mandana oAho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’i Jehovah, aza mitsahatra; » (Isaia 62:6) : Niandany tamin’ny vahoaka nijaly sy nampahoriana hatrany ny mpaminany na dia nenjehina sy nampijaliana, noho izany aza ( Jeremia,) . Izy ireny no Raiamandreny nananatra sy nanoro hevitra tamin’ny fotoan-tsarotra teo amin’ny fireneny , nampihavana sy namitram-pihavanana tamin’Andriamanitra ary nampianatra ny vahoaka iaina amin’ny rariny sy ny hitsiny mba tsy hisy “hanisy ratsy ny namany”. Tsy nangina raha niseho ny fanaparam-pahefana nataon’i Davida Mpanjaka fa niteny sy nananatra tamin’ny fahasahiana (Natana Mpaminany : 2 Samoela 12,7) . Ekena fa mila fahasahiana sy fahendrena ny miteny sy mananatra ; koa manaitra antsika Mpitondra fivavahana namana rehetra mba tsy hitazam-potsiny manoloana izao fahasahiranana izao ka ho “toy ny ondry tsy misy mpiandry” sanatria , ny vahoaka.

Hoy ny Hafatry ny Mpaminany Isaia ho an’Ilay firenena mpanota sy mavesa-keloka:« Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany; Fa raha mbola mandà sy mihodina ihany ianareo, Dia ho lanin’ny sabatra: Fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny. » (Isaia 1,19 – 20). TSY OZONA NA FIANTSOANA LOZA HO AN’NY TANINDRAZANA SANATRIA FA “FAMINANIANA HO AN’NY FIRENENA” !

« Tsy hangina Aho noho ny amin’i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra. » (Isaia 62,1).