MPANONGAM-PANJAKANA ?

Mihovitrovitry ny tahotra ry zareo ery ambony,
Ka ny ataony sy ny saininy, tsy voalanjany intsony!
‘Reo izay mihetsika rehetra, n’iza n’iza eto an-tanàna,
Dia heveriny daholo fa mpanongam-panjakana.

Olona miakanjo mena, tazana mizotra tsara,
Tampoka eo dia nobataina sy nalefa anaty fiara.
Tonga dia nosokajiana fa mpanongam-panjakana,
Ka nogiazana avy hatrany sy nalefa am-pigadrana.

Mpianatra mitaky vatsy f’efa noana tsisy hatokona,
Dia nanaovana herisetra sady nitondrana “bokona”.
Tena nisy nosamborina ka handalo fitsarana,
Fa hoe manam-pikasana ny hanongam-panjakana.

Solombava miomankomana hanao tatitra mazava,
Dia niharan-tsakantsakana ary dia voaenji-dava.
Manan-jo ny ho amin’izany, izay tondroin’ny lalàna,
Saingy kosa voakilasy fa mpanongam-panjakana.

Tondromolotra no miasa ka ‘reo olo-manakiana,
Dia anaovana antsojay fa hoe mpitari-pikomiana.
Didy jadona no eto, foana ny fahalalahana,
Ary hevitr’olon-tokana no tadiavina hibahana.

…Lalitra mihetsika aza, angamba koa dia ho voatana,
Fa tsy maintsy hokilasiana ho mpanongam-panjakana!
Ny antony dia tsotra ihany: efa tena “tsy ao intsony”,
F’efa manonofy ratsy ireo rehetra ery ambony!

TSIMIMALO (05-03-21)