Tatitr’ireo depiote 6 mianadahy – Kanosa sy miovaova hevitra hatrany ny mpitondra

Niaina

Kanosa sy miovaova hevitra ny mpitondra sy mpitandro filaminana, mahakasika ny tatitra tokony hataon’ireo depiote miisa 6 mianadahy avy amin’ny mpanohitra eny Soamandrakizay tokony hataony ny sabotsy 6 martsa izao.

Efa nanambara ny Préfet de Police an’Antananarivo, ny governoran’ny faritra Analamanga,… zavatra tokony hataon’ireo olom-boafidy ny tatitra amin’ny vahoaka ary homena an’i Soamandrakizay izy ireo hanatanterahana izany. Izao indray dia voalaza fa tsy azo ampiasaina indray ny eny Soamandrakizay, tsy ny tanin’ny katolika, fa ny tanin’ny mpandraharaha karana Rajabaly. Misy lavaka be natao eny an-toerana amin’izao fotoana.

Niova hevitra indray ny Préfet de police ny jeneraly Angelo Ravelonarivo omaly, fa tsy hanolotra toerana intsony ny fanjakana, fa anjaran’ny mpanohitra no mikaroka toerana hanaovany fihetsiketsehana, sy mametraka ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana mifandraika amin’izany, hoy izy. Ny eny Soamandrakizay aloha izany dia efa tsy azo idirana. Arakarak’ilay toerana no hahazoana na tsia ny fahazoan-dalana hoy ihany ny Préfet. Ireo depiote 6 mianadahy sy ny Miara-manonja dia nanamafy fa tsy maintsy hisy ny tatitra rahafak’ampitso, anio indray no tokony hahafantarana ny toerana hanaovana izany.

Na ho aiza na aiza no hanaovana ny tatitra, hidorehitra mena sy hangorom-potsy ny toerana hanaovana izany eto an-drenivohitra, Imerinkasinina aza tongan’ny olona, vao mainka fa toerana malalaka eto an-drenivohitra, na manodidina akaiky azy, ho rakotra olona izany. Nanamafy ireo solombavambahoaka, fa tatitra no atao fa tsy resaka fanonganam-panjakana akory, ka tokony avela halalaka hihaino izany tatitra izany ny vahoaka satria zony izany. Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ihany koa ny mpitandro ny filaminana, fa tsy natao hamoritra, na hampihorohoro vahoaka akory. Nanamafy ny solombavambahoaka voafidy teny avaradrano, Randriambolaina Gerry, fa na mbola sakanana indray aza io hetsika amin’ny sabotsy io dia tsy maintsy mbola hangataka alàlana foana ny solombavambahoaka mpanohitra satria tsy maintsy maheno ny tatitra ny vahoaka malagasy.

Fantatra ihany koa fa ho avy eto an-drenivohitra ireo avy any amin’ny faritra satria tsy mahafantatra ny vaovao marina izy ireo noho ny gejan’ny haino aman-jerim-panjakana, izay tsy mamoaka afa-tsy ny vaovaon’ny fanjakana irery ihany. Manentana ny mpitandro ny filaminana ireo depiote mpanohitra, mba hitandro tanteraka ny filaminana amin’io sabotsy io, ary nanamafy fa vahoaka milamina sy manaja ny lalàna ny vahoaka hihaino tatitra, ka tsy tokony ho sakanana, na hanaovana antsojay indray toy ny teo aloha.