Gadra politika 12 mianadahy – Avoahay fa tsy nisy heloka nataony

Stefa

Miha-maro hatrany amin’izao fotoana ireo maneho hevitra, mahakasika ny fisamborana nisy, tamin’ny sabotsy 20 febrory 2021 lasa teo, ka nampidirana am-ponja vonjy maika an’izy 12 mianadahy, izay azo lazaina fa migadra noho ny resaka politika. Ireny fanehoan-kevitra rehetra ireny dia samy manambara, ny tokony hamoahana tsy misy fepetra an’izy 12 mianadahy ireo, satria sady tsy nangalatra izy ireo, tsy nandika sy tsy nandia faritra tsy azo naleha, tsy nanao fihetsika tsy mendrika imasom-bahoaka, na “attentat à la pudeur public” ve, tsy nitaona olona hanao fanonganam-panjakana, tsy niteny ny akanjo nanaovany, mazava ho azy tsy namono olona koa izy ireo.

Noho izany hoy ireo fanambarana samihafa voarain’ny gazety: avoahay izy ireo, fa tsy nisy ny heloka nataony.

Tsiahivina fa izy 12 mianadahy ireo dia:

Roger Randriamboavonjy64 taona
Fanoboha Raveloson59 taona
Daniel Ramamonjisoa57 taona
Haja Tahiry Andrianarimanana44 taona
Joseph-Michel Rabenandrasana44 taona
Serge Alain Rakotonarivo40 taona
Lynah Rakotomalala39 taona
Roger Randrianarimanana36 taona
Ambinintsoa Judikael Rakotoarimanana26 taona
Fanantenana Ramiaranjatovo21 taona
Jean-Félicien Rakotoarisoa
Parfait Rakotoarimanana