Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra

Ny Valosoa

“Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra”, ary dia aretin’ity firenena ity io, ny fitiavam-bola no fototry ny olana sy fifanolanana rehetra eto. Diniho kely, fakafakao ny zava-misy sy ny zava-paniry. Raha “ny fitiavam-bola no afaka” eto dia ho afaka aretina isika, afaka ho tanteraka amintsika izany fa tsy nofinofy, koa: samia mifona, mivalo amin’Andriamanitra, manomboka any amin’ireo raimandreny: mpitondra fanjakana, mpanao politika, mpanelanelana,, sns… ” Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra “: I Tim 6:10, “aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo”: Heb 13:5. Ady amin’ny fitiavam-bola: tranga matetika eny amin’ny làlan-dratsy no hitondrana ny fanazavana.

Maro ny fiara no “tavela” na “tafahitsoka” eny amin’ireny làlan-dratsy rakotry ny fota-mandrevo na “gôdra” ireny. Ny firenena koa dia “tavela” sy mihitsoka anaty fahantrana vokatry ny fandehanany amin’ny “làlan-dratsy”, dia ny fitiavam-bola izany. Fa afaka amin’ireny “nahatavela ” azy ireny ihany ireny fiarakodia ireny satria: ny mpamily sy mpanampy azy niantso famonjena sy fanampiana avy amin’ny hery hafa, ohatra: mponina teny amin’ny manodidina, na mpitondra fiara hafa,… Ny mpiray fiara nifanampy, niara-nikaon-doha, niray resaka amin’izay fomba ialàna amin’ilay fihitsohana nifampizara andraikitra. Nampiasa ny fitaovana nananana sy izay hita eo amin’ilay toerana. Tsy ho diso kosa isika raha hilaza, fa raha tsy ireo tokoa no paikady nampiasain’ny mpamily sy ny mpanampy azy dia “tavela mandrakizay” amin’ireny sakana nahatavela azy ireny ny fiarany.

Azo anatsoahana lesona hoentina hanafahana ny firenena amin’ny maha “tavela” azy anaty fahantrana izany: miantso hery hafa afaka hamonjy sy hanampy, dia Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, ka ireo no tiavina amin’ny fo rehetra, amin’ ny saina rehetra, fampiharana ny didy lehibe voalohany izany, Deo 6:5, ialàna ilay fitiavam-bola. Miray saina sy mifanompo, fa tsy lany fotoana sy hery mifanohitra, izany no fanatanerahana ny didy lehibe faharoa “tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”. Miainga amin’ny fampiasana ny zavatra hananana, manam-be amin’izany ity tanintsika ity: fahendrena sy fahaizan’ny manampahaizana teratany, velaran-tany midasasika, zava-maniry, harena an-kibon’ny tany,… Ho sanatria anie, fa tavela mandrakizay anaty fahantrana ity firenena ity raha tsy ireo no hizorana.

Fitiavam-bola no fototry ny ratsy, toy izany ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, toy ilay volamena tratra farany teo tatsy Afrika Atsimo. Fitiavam-bola ny fanaovana ampihimamba ny sehatra ara-toekarena misy amin’izao fotoana, toy ny teo amin’ny sehatry ny voankazo fanondrana litchi, eo amin’ny sehatry ny lavanila,… Ny kolikoly: fanodinana ny fanampiana tamin’ny ady amin’ny valanaretina coronavirus tamin’ny taon-dasa, izay mbola tsy mazava ny tatitra mahakasika izany hatramin’izao dia fitiavam-bola fototry ny ratsy avokoa izany.