Resaka lisi-pifidianana – Fositra nanovana ny safidim-bahoaka teto hoy ny depiote Rodin

Rajo

Mbola nanao fanavaozana lisi-pifidianana ihany ny Ceni, ary nilaza fa afaka manamarina izany eny anivon’ny fokontany, ireo izay manana olana amin’izany. Nanamafy ny Ceni fa io lisitra io no hahafahana miatrika fifidianana manaraka indray.

Nokianin’ny solombavambahoaka Rodin Rakotomanjato io, satria io ihany no niteraka olana teto Madagasikara hoy izy, niainga tamin’io lisitra io ny hala-bato teto amintsika raha tsy hiresaka afa-tsy ireny fifidianana filoham-pirenena ireny fotsiny isika. Tsy iny ihany, fa mbola nitohy tamin’ireo fifidianana nifanesy taty aoriana izany ary efa nisian’ny disadisa teo amin’ny samy mpikamban’ny Ceni, tamin’ny namoahan’ny filoha lefitra teo aloha Thierry Rakotonarivo ny marina tamin’izany. Tsy miaiky ihany ny Ceni, fa izy ireo no fototry ny disadisa pôlitika eto Madagasikara, nefa mbola manohy ny resaka lisi-pifidianana ihany.  Ny vahoaka tsy mahalala, fa dia roboka hatrany, satria efa mba te-hifidy angamba satria ireo feno taona tsy mbola nihàran’ny olana no tafiditra amin’izany.

Nanamafy ity solombavambahoaka ity, fa tsy vao izao, fa efa ela no nitaky ny fanoloana ireo mpikambana eo anivon’ny Ceni ny antoko mpanohitra, ary fandravana mihitsy aza, nefa dia izao izy mbola sahy mamoaka lisi-pifidianana vaovao izao indray. Hafahafa ohatr’ilay nitsako labozia io.