SABOTSY MIFANKAHITA

Saika ahitana hetsika amin’ny faritany enina,
Noho ny ataon’ireo mpitondra jamba sady bemarenina.
Ao ny fitakiana vola, ao ny hetsi-panoherana,
Mihovitrovitra ny ngeza f’efa tena ratsy toerana!

Tsy Iarivo irery ihany fa ny faritany enina,
No hisian’ny fitakiana, ka indreo mipenimpenina,
Miezaka mamono afo ry zareo mpirehareha,
Saingy hatreto dia efa tena tapi-dalana haleha!

Basy sisa arangaranga, herisetra no amparina.
‘Zay no hany fara hevitry ny tsy hendry sy tsy marina.
Mihozongozona ny sezany, hita ny fihilangilany,
Saingy tsy ampy hanavotra azy ny herin’ireo miaramilany!

Matoa mihetsika daholo iretsy faritany enina,
Dia mazava dia mazava f’efa vita ny ala nenina.
Olona tsy azo ahitsy ireo milaza ho andrarezina,
Ary akaiky raha izao ilay “fianjerana miezinezina”!

N’inoninom-pandrarana sy karazan-tsakantsakana,
Ny an’ny “solombava enina”, tongotra efa mby an-dakana.
Efa vonona ny tatitra, fiomanana efa vita.
Amin’ny sabotsy izao, eo indray mifankahita!

TSIMIMALO (02-03-21)