Vehivavy TIM – Naangona 1861000 Ar nanampiana ireo voafonja miisa 12

Helisoa

Ny sabotsy teo sy omaly alatsinainy no nanangona vola anampiana ireo voafonja miisa 12 mianadahy, voasambotra tamin’ny 20 febroary 2021 lasa teo ny Vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM), tetsy amin’ny QG Bel’Air Ampandrana.

Nandritra izany vola mitentina 1861000 Ar no voaangon’izy ireo, avy amin’ireo malalatanana eto an-toerana, sy avy any ivelany nahitana: ny Erikerika Madagasikara any Frantsa, olon-tsotra tsara sitrapo avy any Frantsa, sy avy atsy amin’ny Nosy La Réunion koa.

Natolotra mivantana ho an’ny fianakavian’ireo voafonja ny vola voaangon’ny vehivavy TIM rehetra hatramin’ny 3 ora hariva teo omaly, ka nahatratra 150000 Ariary na 750000 fmg avy, isaky ny fianakaviana no nozaraina tamin’izany. Mbola mitohy hatrany ny ezaka hitsinjovana azy ireo, ka ny 8 martsa ho avy izao indray, andron’ny vehivavy no hanolorana izay ho voaangona rehetra.

Nanatrika ny fotoana ny birao politikan’ny antoko TIM, notarihin’ny Sekretera jeneraly, Riana Randriamasinoro, nahitana ny mpandrindra nasionaly: Jean Claude Rakotonirina ary ny mpikambana amin’ny birao politikan’ny antoko: Julien Andriamorasata.