Kianja nohamasinin’i Papa – Eny Soamandrakizay no hanavotana ny firenena

Ny Valosoa

Tsy ankandasitra intsony, fa dia ho raikitra ny fanaovan’izy 6 mianadahy Solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo Renivohitra tamin’ny anaran’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tatitra, eny amin’ny Kianja Soamandrakizay amin’ny Sabotsy 6 Martsa2021 ho avy izao.

Kianja Masina io

Tamin’ny fandalovan’ny Ray Masina François teto Madagasikara, tamin’ny voalondohan’ny volana Septambra 2019 dia teo amin’ny Kianja Soamandrakizay, no notanterahina ny fotoambavaka lehibe notarihan’ity Ray amandrenimpiangonana eken’izao tontolo izao ity, teo koa no nitanisan’i Papa ny mahazavadehibe ny fifankatiavana sy ny fihavanana, ary indrindra ny nanambarany ny maharatsy ny kolikoly, ny herisetra, ny fanamparampahefana amin’ny endriny samihafa ary ny fanavakavahana tsy mitondra fampandrosoana.

Miendrika ho fanamasinana ny kianja nataon’i Papa François ny fanaovana ny fotoampivavahana goavana teny Soamandrakizay, satria io izany no “Basilic” n’i Masindahy Piera toy ny ao “ Vatican” raha eto amintsika.

Nilatsahan’ny Fanahy Masina ingahy Préfet

Ny Sabotsy 20 Febroary 2021 dia nanam-pikasana hanao tatitra ho an’ny vahoakan’Antananarivo teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ireo Solombavambahoaka 6 mianadahy voafidy teto Antananarivo Renivohitra, rehefa nolavin’ny Ben’ny tanàna Vazahabe ny fidirana tao Ambohijatovo.

Ny zoma 19 Febroary2021 dia nanambara Ingahy Préfet, fa tsy azo ekena ny fidirana ao amin’ny kianjan’ny 13 Mey, fa omena ny Kianja Soamandrakizay ireo depiote, satria mifanaraka amin’ny lalàna ny fanaovan’izy ireo tatitra amin’ny vahoaka, saingy tsy nanaiky izany izy 6 mianadahy, satria fohy loatra ny fotoana tsy nahafahana nampiomana ireo vahoaka hihaino tatitra.

Ankehitriny ampy tsara ny fotoana niomanana na ho an’ny vahoaka na ho an’ireo Depiote, dia raikitra izany amin’ny Sabotsy 6 martsa izao, azo antoka fa tsy ny Préfet no ho sakana amin’ny fanantontosana izany, satria hevitra nivoaka avy any aminy ny fandehanana eny Soamandrakizay, ary azo inoana mihitsy fa ny Fanahy Masina no nibitsika tamin’ity tompon’andraikitra eto an-tanàna ity, ny anarany rahateo dia miteny ho azy ny hoe: “Ravelonarivo” natao hamelona ny vahoakan’Iarivo, mbola miampy ho “Angelo”, avy amin’ny anjely anie izany e! f’angaha izay ihany fa mbola misy fanampiny koa hoe “Christian”, vao mainka fatratra fa avy amin’ny hoe “Kristy”.

Misy ireo manely tsaho fa mety tsy ahazo fankatoavana amin’ny tompon’ny tany hono, tsy iza io fa ilay mpandraharaha karana efa tompontany Rajabaly, izay tsy azo inoana ny isian’ny fandavana, satria azo lazaina hoe efa tena malagasy ry Rajabaly mianakavy, satria efa niara-niaina sy nifamelona tamin’ny malagasy nandritra ny taona maro, ary vahoakan’Antananarivo tokony hahazo tatitra izy mianakavy. Mikasika an’Ingahy Ben’ny Tanàna Vazahabe dia tsy hanan-kambara intsony izy, satria tsy ho azony hamoronana “parc” hafa intsony eo amin’ny Soamandrakizay.

Hilamina ny tanàna

Toerana somary mihataka kely i Soamandrakizay, na dia mbola ao anatin’ny boriborintany fahadimy aza, tongan’ny taksibe soamantsara, ary tsy mampalain-komana ireo vahoaka vonona hihaino tatitra, tsy ampahafirin’ny mankany Imerinkasinina izay tongan’ny maro dia an-tongotra.

Azo antoka fa hanjaka ny filaminana ary hidorehitra mena sy hangorom-potsy ny eny Soamandrakizay, satria vahoaka hendry sy milamina ireo vahoaka ho tonga eny.
Tsiahivina f’efa nisy ny fotoana nanaovana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) teny Antsonjombe sy teny amin’ny Kianjan’Alarobia, teo koa ny fitsenana ny Filoha Ravalomanana tamin’ny 19 Febroary 2011 sy 21 Janoary 2012 teny Ivato, tonga tena marobe hatrany ireo vahoaka ary rehefa nirava dia maro ireo nandeha an-tongotra namonjy fodiana, tsy nisy tamin’ireo vahoaka ireo no nandroba, fa vao mainka aza nividy zavatra: sakafo, rano fisotro, sns… nanjifa ny entan’ireo mpivarotra mpiray tanindrazana, ary ireo nandeha tamin’ny fiara fitaterambahoaka dia nandoa sarandalana ara-dalàna avokoa, koa azo inoana fa na ny mandroso mankeny Soamandrakizay, na rehefa hamonjy fodiana amin’ny Sabotsy izao ireo vahoaka avy nihaino tatitra, dia azo antoka fa hampitombo indray ny vola miditra amin’ireo mpivarotra lalovany.

Feno ny fepetra ahafahan’ireo Solombavambahoaka manao ny tatitra amin’ny Sabotsy izao, koa dia miandry amim-pilaminana sy amim-pahatoniana ny vahoaka leon’ny DJ, na ny Didy Jadona mampahory sy tsy mitondra n’inona n’inona amin’ny fampandrosoana, ary manantena fatratra, f’izay tatitra ho heno eo dia tsy vahaolana petatoko sy vonjy tavan’andro, fa hitondra SOA MANDRAKIZAY ho an’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka Malagasy, satria na ny mpitatitra, na ireo hitaterana dia samy vonona amin’ny fanandratana ny firenena ary samy hitondra ambavaka izany, ny kianja hihaonana rahateo efa nohamasinin’i Papa François.