Lalampirenena faha-32 (RN32) – Tena ratsy ny lalana Antsohihy- Mandritsara

Niaina

Tena ratsy ary mampitaraina ireo mpampiasa azy amin’izao fotoana, ny lalam-pirenena faha-32 (RN32), mampitohy an’Antsohihy, Befandriana Avaratra, tonga hatrany Mandritsara, any amin’ny faritra Sofia. Alaina adiny 8 ny lalana mirefy 81 km mampitohy an’Antsohihy sy Befandriana Avaratra, raha eo amin’ny salan’ny hafainganam-pandeha izany, 10 km/h eo no afak’ireo fiarakodia mampiasa izany lalana izany. Taona maro aty aoriana tsy misy fanamboarana ny lalam-pirenena faha-32, izay mampitohy ny distrikan’i Antsohihy sy Befandriana Avaratra ary Mandritsara.

Amin’ny fotoanan’ny andro fahavaratra toy izao dia potika tanteraka ny lalam-pirenena faha-32. Tena mijaly ny fiara mpitatitra entana sy fitateran’olona mandalo amin’ity lalana ity amin’izao. Araka ny fanazavana azo avy amin’ireo mpamily mpampiasa ny lalana dia alaina adiny 8 be izao ny lalana mirefy 81 km, izay mampitohy ny distrikan’i Antsohihy sy Befandriana Avaratra, izay efa voalaza teo. Azo iafiana ihany ny lalana mankany Mandritsara na dia isan’ny ahitana fahapotehana ihany koa aza. Fanirian’ny any an-toerana ny hanamboarana ity RN32 ity, satria anisan’ny faritra mahavokatra izany faritra izany.