HENATRAO

Henatrao mpanankarena sy mpitondra ankehitriny
Ny miletra tsy mijanona miaraka amin’ireo vahiny.
Tena voky hatreny an-tenda saingy tsy mahalala onony,
Fa mikepoka izay azo ka laniana hatramin’ny fonony!

Etsy andaniny kanefa, ‘ndeha jereo ny manodidina:
Olo-maro maty noana sy efa mila hitsingidina!
Ny fitoeram-pakonao no lasa toeram-pihinanany,
Itsindrohany izay kely hampitoniany ny hanoanany!

Iny ianao fa misonanina amin’ny fiara tena raitra,
Sy miakanjo ireo fitafy lafo vidy, tsara zaitra.
Ireto zanakao tsy eto fa nandao ilay Gasikara,
Ka ny vatsiny isan-taona, re fa amana miliara!

Etsy ankilany kanefa, indreo ireo ory sy tsy manana,
Mba mananika an’Ankatso ka maniry ny hotohanana!
Saingy izay mba vatsy keliny dia tsy omena ara-potoana,
Fa anaovana antsojay ka dia mazàna tara foana!

Ianareo, migoka foana, hany ka mirehareha.
Tsy mahalala jiro tapaka, na koa rano tsy mandeha.
Dia tena mihevitra mihitsy f’eo an-tampom-piadanana,
Fa ny zavatra rehetra efa tsisy izay tsy ananana!

Izany anefa dia fisainana tena ilana fanitsiana,
F’ianareo mihitsy anie ilay tokony hitomaniana!
Noho ‘nareo tsy menatra olona amin-“tsarim-piadanana”,
Nefa mila halevina haingana f’efa maty am-pitsanganana!

DADAN’i ZINA (28-02-21)