Miverina ireo nanakianana ny fitondrana teo aloha ary miha-mafy aza izany

Andry Tsiavalona

Mampanahy ny tsy hisian’ny filaminana eto amin’ny Firenena raha ny tranga, tsy eto an-drenivohitra ihany, fa hatrany amin’ny faritra koa. Nisy ny fitokonan’ny mpianatry ny Anjerimanontolo tany Toamasina sy Toliara ary ny mpianatry « Ecole Normale Supérieure » Antsiranana. Tsy resahina ny teny amin’ny « Polytechnique » Vontovorona. Nisy ny fioharam-pefy tany Toliara satria nisy ny fandrobana. Tsy mahagaga loatra iny tranga iny, satria raha ny fiarovana sy fampanantenana ataon’ny mpomba ny fitondrana any an-toerana sady tera-tany avy any rahateo, dia tsy mifanaraka amin’ny zavatra iainan’ny mponina velively ary tsy mitondra vahaolana rahateo. Tsapa fa amin’ny toerana itrangana toe-draharaha mafana sahala amin’ireny ka amin’arivony no mihetsika dia mirodorodo midina mamaha olana ny mpitondra.

Amin’ny toerana toa an’Antananarivo izay heverin’ny mpitondra, fa aman’hetsiny no hanohina ny antso dia fandrahonana sy fanapariahana manerana ny tanàna mpitandro ny filaminana, izay lasa herim-pamoretana no hasetry izany. Tsy vitan’izany fa manao fisamborana olona tsy manan-tsiny sy namoronana izao hatsanga tsy aman’orana rehetra izao entina andefasana eny amin’ny fitsarana, izay mampiditra azy ireny eny am-ponja, asa noho ny baiko? Araka izany dia tsy afaka maneho hevitra sy midina an-dàlambe intsony ny vahoaka eto amin’ity Nosy ity, na voasoratra mazava tsara ao anatin’ny Lalàmpanorenana aza izany, fa anisan’ny zo fototry ny olompirenena rehetra.

Nodradradradrain’ny ministry ny serasera ankehitriny ireo zo fototra ireo, sivy volana taorian’ny nandraisan’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, ny fitondrana, ka tao anatin’ny fanoherana izy. Delestazy izay nambaran’ny filoha teo aloha, fa ho foana tao anatin’ny telo volana kanefa tsy tanteraka na dia azo lazaina fa nisy ezaka ihany aza. Tetsy andaniny koa ny tsy fahampian-drano, ka nahatonga ny fidinan’ny mponina an-dàlambe.

Ankehitriny dia miverina ireo nanakianana ny fitondrana teo aloha ary miha-mafy aza izany, kanefa dia ataon’ny fitondrana Rajoelina Andry ny sakana sy ny antsojay rehetra anakanana ny vahoaka tsy haneho hevitra, sy hivory an-kianja hanehoany ny tsy fankasitrahany izany toe-javatra izany. Mandrisika ny vahoaka hanao hetsika ihany koa ny fidangan’ny vidim-piainana tsy mbola nisy toy izany. Mihevitra ny mpitondra fa ny fanambatambazana ny olona amin’ny “vary tsinjo” amin’ny vidiny zato ariary mandritra ny telo volana dia hampisy ny fitoniana. Anisan’ny mampitroatra ny any amin’ny faritra ihany koa io tsy fanapariahana ity “vary tsinjo” ity any ivelan’Antananarivo, satria tsy ny Renivohitra ihany akory no Madagasikara ary tsy ny eto ihany koa no efa tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mponina intsony ny vidim-piainana.

Efa tsy navela niditra tao amin’ny Kianjan’Ambohijatovo ny solombavambahoaka enina eto an-drenivohitra ary torak’izany koa ny mpanohitra tamin’ny alàlan’ny RMDM ny sabotsy 27 febroary lasa teo. Rehefa nolavin’ny Prefet de Police ny fidirana teo Ambohijatovo dia nosakanana ihany koa ny fivezivezena teny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, sy ny fidirana tao Analakely. Rehefa nolavina ny nanaovan’ny solombavambahoaka tatitra tao Ambohijatovo dia efatra ambiroapolo ora talohan’iny andro iny dia nomena azy ireo ny eny Somandrakizay kanefa dia tsy tanteraka izany fanaovana tatitra izany noho ny tsy fahampian’ny fotoana fanomanana. Nanapakevitra ny solombavambahoaka enina mianadahy, fa ho eny Soamandrakizay amin’ny sabotsy 06 Martsa ho aavy izao ary efa manao ny fanentanana mifanandrify amin’izany ny ao amin’ny “Miara- Manonja”.

Ny ho avy no hanambara izay ho fihetsiky ny mpitondra, satria efa nanaiky ny toerana nomeny ny solombavambahoaka. Tsy mahagaga intsony mantsy ny fomba fanaon’ny mpitondra, izay mitsapatsapa ny halalin’ny rano, ka rehefa lalina dia miverina amin’ny teniny indray. Tsy misy mahasakana izany “rivotry ny fiovàna” izany rehefa mitsoka ary mbola manampy trotraka azy ny “rivotry ny fahafahana maneho hevitra sy ny fanoherana ny DJ: Didy Jadona”.