Oniversite Maninday Toliara – Migrevy mitaky ny zony koa ny mpianatra

Ny fitokonan’ny mpianatry ny Oniversite any Toliara.

Stefa

Marary ny fampianarana ambony eto Madagasikara, saika nitokona nitaky ny zony avokoa ireo Oniversite miisa 6 eto Madagasikara. Tamin’izao faran’ny herinandro izao dia ny tany amin’ny Oniversite Maninday any Toliara faritra Atsimo Andrefana indray no nigrevy, nitaky ny zon’izy ireo. Toy ny tany amin’ny Oniversite hafa, fitakiana vatsim-pianarana efa-bolana, miampy ny fitaovana, na équipement no takian’ireo mpianatra. Ny nampiavaka ny tany Toliara ny tany amin’ny hafa, misy ireo ankizy mitaky ny hanatsaharana ny hetsika, misy kosa anefa ireo tsy manaiky izany fa ny hanohy ny fitokanana mandra-pivalin’ny fitarainana.

Nifanditra noho izany ireto mpianatra ireto, ka raikitra ny tora-bato, nisy ny mpianatra naratra, ny zonay hoy ireto mpianatra no takianay satria marary izahay. Hatramin’ny diplaoma hoy hatrany izy ireo dia tsy misy ny “validation”. Fitarainany koa ny faharatsian’ny fotodrafitrasa iainany.

Noho izay fitokonana izay, raikitra ny sakoroka sy fifanenjehana eran’ ny tanàna ataon’ny mpitandro filaminana ireo mpianatra mitokona mitaky ny vatsim-pianarany. Nohitsakitsahan’ireo mpitandro filaminana indray ny “franchise universitaire”, efa tafiditra amin’ny faritry ny Oniversite indray izy ireo. Mbola tsy fantatra hatreto ny isan’ny voasambotra, na ny naratra vokatr’izany.