Mpikaroka Malagasy – Nahavita rianaratra avy amin’ny ranomasina

Aly

Nahavita rianaratra, na électricité avy amin’ny ranomasina ny mpikaroka Malagasy miisa 3 any amin’ny Oniversiten’Antsiranana. Ranomasina lasa rianaratra, vita Malagasy 100% io tontosan’ny mpikaroka Malagasy io.

Araka ny vaovao voaray, tsy nino ny manam-pahaizana tao amin’ny OMPI (Organisation Mondiale de Protection Intellectuelle), any Genève Suisse rehefa nahita ny fangatahana brevet nataon’izy ireo. Nolazainy tamin’izany, fa tsy mitombina ireo kajikajy sy ny vokatry ny fikarohana. Raha ny lalàn’ny Fizika hoy izy ireo, tsy tokony hanome rianaratra intsony ireo akora rehefa nampiasaina manakaiky ny 120 ora. Voatery nentina tany Genève mihitsy ny prototype nandrehetan-dry zareo ny jiro ary afaka 10 andro tsy maty ny jiro vao nanao sonia ny brevet ny tany an-toerana.

Tsotra ny valitenin’i Profesora Ramaroson tamin’izy ireo: “tsy mitovy angamba ny Andriamanitra inoantsika, misy phénomènes quantiques sy oxydations superposées tsy takatry ny sain’ny siantifika mpanao kajy ambony latabatra ao”.

Mendrim-piderana izao voka-pikarohana izao, andrasana ny fampiharana azy any amin’ny fiarahamonina, mba hisitraka rianaratra avokoa ny tokantrano rehetra atsy ho atsy, indrindra ny any amoron-tsiraka, izay akaiky ranomasina.