Vehivavy TIM – Hanampy ny fianakavian’ireo voafonja miisa 12 mianadahy

Helisoa

Anio sabotsy manomboka amin’ny 10 ora maraina, no hitondra ny anjara birikiny, hanampiana ireo voafonja miisa 12, noho ny raharaha tamin’ny 20 febroary 2021 teo, ny vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM), ao amin’ny QG Bel’Air. Tsy vitan’ny vehivavy irery anefa izany, koa mitaona ireo tsara sitrapo rehetra tsy ankanavaka malalatanana: na eto an-toerana, na any ivelany, ny vehivavy TIM, hifanohana aminy amin’izany, ary ny eto an-toerana hifanotrona amin’izy ireo amin’io fotoana io, satria zavadehibe ny firaisankina hanamaivànana ny fahasahiranan’ireo fianakavian’ny voafonja.

Eto ny vehivavy TIM dia maneho fisaorana ireo rehetra hanome tanana , fa ataontsika ao anatin’ny mangarahara tanteraka no hanaovana izany. Ny alatsinainy 1 martsa 2021 ho avy izao amin’ny 3 ora tolakandro, no hizaràna ny vola sy zavatra voahangona rehetra, ho an’ny fianakavian’ireo voafonja miisa 12 ao amin’ny QG Bel’Air ihany.

<<< Vaovao farany mikasika ny hetsika >>>

Nahatratra 1.373.000 ariary na 6.865.000 fmg ny vola voahangon’ny vehivavy TIAKO I MADAGASIKARA TIM tao amin’ny QG BEL’AIR ho entina hanampiana ireo voafonja miisa 12 mianadahy ny maraina teo. Maro ny mbola nilaza hanampy fa tsy afaka noho ny fahasahiranana amin’ny fianakaviana, koa nanapakevitra ny vehivavy TIM fa ho tohizana ny alatsinainy ny tolotanana. Ny hariva amin’ny 3 ORA kosa no atolotra mivantana ireo fianakaviana ny vola voahangona rehetra. Mbola mamerina ny fankasitrahana hatrany ho antsika rehetra