Filoha Ravalomanana – Maro ireo tsy rariny ataon’ny mpitondra

Isambilo

Nanao fandaharana manokana tao amin’ ny fahitalavitra MBS afak’omaly alina ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara), sady filoha nasionalin’ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara), mahakasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Nangataka ny famoahana tsy misy fepetra ireo olona 11 nampidirina am-ponja, noho ny tatitra saika ataon’ireo depiote TIM miisa 6 tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey izy nandritra izany. « Tsy sanatria akory ka :”Etat de siège” Antananarivo tamin’ny sabotsy teo, ka nofenoina mpitandro ny filaminana marobe nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ireny ».

Noresahany ihany koa ny mahakasika ny volamena 73,5 kg, ny krizy ara-pahasalamana, sy ara-tsosialy, ary ara-toekarena, izay mahatonga ny firenena ho gisitra amin’izao fotoana, noho ny tsy fananan’ny mpitondra ankehitriny mamaha ireo olana. Teo ihany koa ny niresahany ny lafiny tsy fandriampahalemana, raha tsy hiresaka afa-tsy ireo daholo tany Atsimo, taany Betroka : olona 9 sy biby fiompy no may izay tena mampalahelo tokoa. Voaresany koa ny mahakasika ny demokrasia eto Madagasikara, izay tsy voahaja satria miditra mankany amin’ny didy jadona ny firenena amin’izao fitondrana Rajoelina izao. Niantso ny firaisankinan’ny mpanohitra ny filoha Marc Ravalomanana, handresena ny jadona sy ny fanaparam-pahefana eto amintsika ankehitriny.

Ny mahakasika ny grevy eny amin’ireo Oniversite, izay efa namoizana ain’ny mpianatra 1, voan’ny « balle réelle » tany Toamasina. Miondrika eo anatrehan’ilay mpianatra namoy ny ainy i Dada ary manameloka ny fampiasan-kery amin’ny mpianatra mitaky ny zony ara-drariny.

Tsy maintsy mijoro ny tenako hoy izy, mampahafantatra ny vahoaka malagasy ny tsy rariny sy ny fanampaheram-pahefana misy eto amin’ ny firenena.

Mahakasika ny fametrahana ireo mpitandro filaminana maro be manoloana ny tranony eny Faravohitra, nolazainy fa fihatsaram-belatsihy no ataon’izy ireo, satria tsy miaro no ataony eo, fa maka sary izay olona mivoaka sy miditra. Manalabaraka tena ireo mpitandro filaminana ireo hoy izy.

Ankoatra izany, nanambara ny filoha Ravalomanana, fa mila mahay mifanaja, mifampihaino, ary miray hina, satria rehefa tsy misy ny fahamarinan-toerana ara-politika dia tsy misy ny fampandrosoana.

Ary farany, nanambara ihany koa izy, fa tsy hahasakana ny olona manerana ny nosy tsy hihaino ny Miara-manonja, ny fanajanonana ny MBS amin’ireo fahitalavitra satelita, noho ny fivoaran’ny teknôlôjia. Afaka manaraka ny MBS Radio sy TV ny any amin’ny faritra, sy eran’izao tontolo izao satria mbola eo ny youtube, ny facebook,…