Tsy fahaizan’ny fitondrana no misy eto – Fa tsy adin’ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina

Ny Valosoa

Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izay dia miverimberina matetika ao ambavan’izay mahazo fitenenana ny anaran’ny Filoha Ravalomanana, sy Ingahy Filoha amin’izao fotoana izao Andry Rajoelina, dia ezahina ampitoviana sy atao anaty lasitra iray.

Ny Hetsika Rohy ( Rindran’ny Olompirenena Hiarovana ny Iarahamanana), izay fivondronan’ireo firaisamonina sivily manohitra ny kolikoly, ny jadona, ny hosoka amin’ny endriny rehetra, dia mamoaka fanambarana momba ny toe-draharahampirenena toy ny efa fanaony.

Nomelohin’ny Rohy ny fampiasan-kery namono nahafaty mpianatra iray tany Toamasina. Nodisoin’ny Rohy ihany koa ny fanamparampahefana nataon’ny mpitondra nampihetsika mpitandro filaminana nisakanana ny tatitra tokony ho nataon’ireo solombavambahoaka avy eto Antananarivo Renivohitra.

Ny nanaitra tamin’ny fanambarana nataon’ny Rohy anefa dia ny nilazany, fa tsy afaka miteny ho mahafehy ny vahoaka hono ny Filoha Ravalomanana, sy ny Filoha ankehitriny satria hoy ny Rohy ny ampahany betsaka tamin’ny vahoaka mpifidy dia tsy tonga nisafidy tamin’ireo olona roa ireo, dia nolazain’ny Rohy ihany koa fa mahafehy ny serasera hono ireo kandida roa ireo, fa tsy mahafehy ny vahoaka, ary tokony hitondra vahaolana koa hono ny mpanohitra fa tsy hitsikera fotsiny, ary ny mpitondra tokony hihaino ny mpanohitra.

Mikasika ny hoe mahafehy ny serasera dia asa raha tsapan’ny Rohy, fa tsy mitovy ny fomba fifehezan’ny roa tonta ny serasera, ny an’ny mpomba ny Filoha Ravalomanana dia ady madio amin’ny alalan’ny fandefasana fandaharana ara-dalàna amin’ny haino amanjery ary fandresen-dahatra tsy misy lainga, fa miainga amin’ny zavamisy iainan’ny vahoaka no taterina, ao anatin’ny fifanajana tanteraka no nanaovana izany.

Ho an’ny fitondrana indray ny fomba ifehezany ny serasera dia amin’ny alalan’ny fangejana ny fampahalalambaovao, tapahina tsy avela handeha amin’ny Canalplus, Startimes, Parabole ny MBS , ny Rnm sy Tvm dia efa ampihimamban’ny fitondrana, rahonana amin’ ny alalan’ny fampiantsoana eny amin’ny Tobin’ny Zandary ireo mpiteny ao amin’ny Miara-manonja, ampitenenina ireo mpanao gazetin’ny fitondrana sy ireo parlemantera Irk asaina mitanisa ny hoe ny avy eto Antananarivo no manakorontana.

Ny mahavariana dia ny mahatonga ny Rohy hiteny hoe mahafehy ny serasera ny ao amin’ny fitondrana, satria raha izany no marina tsy nila miaramila ny fitondrana niatrika ireo solombavambahoaka hanao tatitra.

Momba ny filazan’ny Rohy, fa vitsy an’isa ny mpifidy, tamin’ny fifidianana filohampirenena, dia aoka hazava fa manana andraikitra tamin’ny fahavitsian’ny mpifidy ireo firaisamonina sivily tsy ankanavaka, nahazo vola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka iraisampirenena ireo firaisamonina sivily hanentana ny mpifidy ho tonga maro, ka matoa vitsy ny tonga nandatsa-bato dia tsy nahavita ny asany izany ny firaisamonina sivily. Mazàna koa anie ny asan’ny firaisamonina sivily dia asa tsy misy antoka, fa na mahomby na tsia dia tsy maintsy raisina foana ny vola, sahala amin’ny vola lasan’ny mpampanofa vatana, tsy misy famerim-bola.

Mikasika ny filazan’ny Rohy, fa tsy mitondra vahaolana ny mpomba ny Filoha Ravalomanana, fa lany andro mitsikera fotsiny, dia mahamenatra raha mpitantana avy amin’ny firaisamonina sivily no tsy mahatakatra, fa ny mpanohitra anie ka natao hitsikera, ary izay fitsikerana izay no anjara biriky entiny hanitsian’ny mpitondra ny tsy mety ataony, fa ny mpitondra matoa mandefa mpitandro filaminana misakana ny tatitra tokony ho nataon’ny solombavambahoaka dia tsy vonona hihaino.

Tsy ny Rohy ihany no mivoy hevitra sadasada ankehitriny, fa misy ireo mpanao politika, sy ireo mitonona ho mpamakafaka politika, sy mpandinika fiarahamonina no mitanisa ny hoe adin’olon-droa no misy eto amin’ny firenena dia ny adin’ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha ankehitriny, asa raha inona no mijery ny an’ireny olona miteniteny foana ireny, ka tsy mahita, fa ny fototry ny olana eto amin’ny firenena anie dia ny tsy fahaizan’ny mpitondra sy ny tsy fisian’ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana ny volambahoaka, ka raha miteny ireo mpiaradia amin’ny Filoha Ravalomanana dia lazaina, fa manome vahana ny adin’olon-droa, misy an’ireo solombavambahoaka Tim miteny aza, mbola sahy manao ny ataony ny mpitondra , mainka fa raha avela hanao banga mihomehy alina eo. Ny tena marina, ny fitondrana Rajoelina dia mamaky ady amin’ny vahoaka mpandoa hetra, satria tsy hita izay tamberina amin’ny hetra naloam-bahoaka, ary ny tena mahatofoka dia tsy miady amin’ny fahantrana ny mpitondra, fa miady amin’ny vahoaka mahantra.

Ireo izay mitanisa ny fitoviana eo amin’ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha ankehitriny dia mazava ny ao antsain’izy ireny, fa fanamaivanana ny Filoha Ravalomanana sy fisarihana ny sain’ny vahoaka malagasy tsy ahatadidy ny zavadoza nateraky ny fanonganampanjakana , izay mbola mamela takaitra mandrak’androany.

Eto ampamaranana dia voaporofo fa miaina ao anatin’ny tsy fisiana ny vahoaka malagasy, satria na ny firaisamonina sivily na ireo mpitarika politika sasantsasany miampy ireo lazaina mpamakafaka politika, sy mpandinika firahamonina dia efa manao ny tsy fanao satria toa lasa manao mpisolovava ny fitondrana amin’ny alalan’ny famotsifotsiana ny Filoha Ravalomanana.