Erikerika Madagasikara any Frantsa – Hanampy ireo voafonja 12 mianadahy

Helisoa

Maneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao eto amintsika, ny fikambanana Erikerika Madagasikara any Frantsa, ary nanambara izy ireo fa hanampy ireo voafonja 12 mianadahy voasambotra ny 20 febroary 2021 lasa teo.

Jadona amin’ny fomba mirantiranty no nasehon’ny fitondrana Rajoelina ny sabotsy 20 febroary 2021 lasa teo tamin’ny fampiasan-kery sy fitaovana raitra, tamin’ny fanakanana ny fifamoivoizana teo amin’ny lalam-pirenena sy ny fivezivezena, izany rehetra izany dia ho fanakanana ny tatitra izay nokasain’ny solombavambahoaka natao am-pilaminana, araka ny voarakitra ao amin’ny Lalampanorenana, teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey, hoy ny fanambarana.

Apetraky ny fitondrana ao an-tsaina ny tahotra eo anivon’ny fiaraha-monina. Ny mpitarika ao amin’ny Miara-manonja dia rahonana amin’ny fisamborana na fifofoana aina mihitsy. Nosamborina ny olompirenena tsotra miisa 12, lazaina fa nanatrika fivoriana tsy nahazoana alalana. Nisy ny voasambotra noho ny fanaovana akanjo mena, na koa noho ny tondro molotra. Mivadika ho firenena jadona i Madagasikara amin’izao fotoana.

Nahare ny antson’ny mpitarika ao amin’ny Miara-manonja ny fikambanana Erikerika Madagasikara any Frantsa, izay niompana hatramin’izao teo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny ankizy, na dia mihoatra an’izany ny sehatra ijoroany, dia ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, sy ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy andavanandro.

Ramatoa Noro Ramanoarison
Anisan’ny mpitarika ny fikambanana
Erikerika Madagasikara

Etoana dia hipàka tanteraka amin’ny fanohanana ny Miara-manonja ny fikambanana. Maro tsy tambo isaina ny ezaka mila fifanomezan-tanana, ka am-panetren-tena no hiraisanay hina amin’ireo mpiradia amin’ny Miara-manonja. Hanombohana izany dia handray anjara 400.000 Ar amin’ny tsipaipaika ho fanampiana ireo namana miisa 12 voagadra tsy ara-drariny ny fikambanana amin’izao andro sabotsy 27 febroary ho avy izao, ho fiaraha-mientany amin’ny vehivavy TIM ao amin’ny QG Bel’Air Ampandrana. Tsiahivina, ireto avy ireo namana 12 voatazona am-ponja: Ramamonjisoa Daniel; Rakotoarimanana Ambinintsoa Judickael; Raveloson Fanoboha; Rakotomalala Lynah; Andrianarimanana Haja Tahiry; Ramiaranjatovo Fanantenana; Randriamboavonjy Roger; Rabenandrasana Jean Michel; Rakotoarisoa Jean Felicien; Rakotonarivo Serge Alain; Rakotoarimanana Parfait.