OMEO NY VOLAN’OLONA

‘Ndeha omeo ny volan’olona, aoka izay ny andraso andraso.
Tsisy mihaino izay kabary fa ny vola no alefaso.
Be dia be ny fidedahana kanjo hay tsy misy hapoaka?
Vola, vola no alefaso fa mijaly ny vahoaka!

‘Ndeha omeo ny volan’olona f’aza dia mirediredy,
Na hanodinkodin-dresaka momba iretsy “paramedy”.
Omeo ny vidin-katsembohany, aoka izay ny hatak’ andro,
F’aza tia miziriziry na koa hifanahim-bandro!

‘Ndeha omeo ny volan’olona, zony ny mitaky izany.
Ananan-trosa anie ‘nareo kanefa dia be vava hatrany!
Efao ny trosa dia hangina ireo rehetra izay mitaky,
Sao vao mainka tsy ho tanty ny fiavin-drano vaky.

‘Ndeha omeo ny volan’olona, aza atao tsipotipotika,
Fa ny mpiasan’orinasa, maro no efa tena lotika,
Noho ny afitsokao mpitondra sy mpitantana tsy marina,
Ka ny kely izay anjarany, sahinao mbola angalarina!

‘Ndeha omeo ny volan’olona, aza odiana bemarenina,
Fa ny adala no tsy mihaino sady sarotra tenenina.
Tsy fananan-tsamirerinao mpitondra ity tantanina,
Ka ataovy tsara zara ry “malaza ho sain-kanina”!

‘Ndeha omeo ny volan’olona ry mpitondra mpihetraketraka,
Ary izao no hafatray hoe: mba mahaiza re mipetraka!
Fahefana anie mandalo, vola manam-pahataperana,
K’aza miandry ny hosorohina vao hiala eo amin’ny toerana!

DADAN’i ZINA (25-02-21)