EDITO 25 Febroary – Omeo ny volan’olona

Sôh’son

Maro ireo manao fitakiana eto amin’ny firenena efa am-bolana maro izao. Itrangan’izany na eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana, ny fampianarana, ny toekarena, sns… Anisan’ny itovian’izy rehetra dia resaka vola, izay tsy voaloan’izao fitondrana Rajoelina izao, efa amam-bolana maro. Maninona no tsy anaovana ezaka ny volan’olona kanefa tena iankinan’ny fiveloman’izy ireo, sy ny ankohonany mbamin’ny fianakaviany?

Anisan’ny sahirana mafy amin’ny fivelomany noho ny tsy fahazoany ny karamany amam-bolana ireo mpiasa ao amin’ny orinasa Kraoma. Efa ela izay fitakiana nataon’izy ireo izay, ary efa ela no nipetraka teo anoloan’ny orinasa misy ny birao foibeny ny banderole, na sora-baventy misy soratra mena milaza ny fitakiana ataon’ireo mpiasa. Manao antso an-tany efitra ve izy ireo?

Eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana dia nisy ireo hetsika nataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana mpitsabo mpanampy, na paramedy. Nampijaliana mihitsy sy nampihorohoroana aza izy ireo tao anaty fitakiana nataony, kanefa niaraha-nahita ny ezaka lehibe nataon’izy ireo nitsabo sy niaro ny mpiray tanindrazana. Izy ireo mihitsy no teo ambava –ady niatrika ny fahavalo tsy hita maso dia ny valanaretina covid-19. Toa atao tsinontsinona izany ezaka sy adidy lehibe nataon’izy ireo teto amin’ny firenena izany, fa nahoana loatra? Raha mpitandro filaminana anefa no manao fitakiana toy izany na ireo depiote, azo inoana marimarina sy ny efa hita, tsy niandry fotoana ela dia nahazo valiny. Misy fiangarana sy fijery mitanila eto amin’ity firenena ity ataon’ny fitondrana Rajoelina.

Fa anisan’ny navaivay ny hetsika fitakiana teny amin’ireo sekoly ambaratonga ambony, na Oniversite tamin’ny faritra maro nanerana ny Nosy. Efa am-bolana maro ihany koa ireo mpianatra no tsy nandray vatsim-pianarana izay tokony horaisiny. Zana-bahoaka ireo ary miankina amin’izany vatsim-pianarana izany ny hamitàny ny fianarany. Iaraha-mahalala, fa tsy miantsy miafara amin’ny hetsika ireo mpianatra eny rehefa misy fahataràny toy izany ny vatsim-pîanarana. Efa niseho nandritry ny taona marobe teto amin’ny firenena izany, kanefa tsy hain’izao fitondrana izao ny misoroka azy mihitsy. Manaporofo hatrany ny tsy fahaizany mitantana firenena. Avy eo hakorontan’ny mpitandro filaminana amin’ny alalan’ny gazy lakrimôzena izy ireo. Niafara mihitsy tamin’ny fahafatesana mpianatra anefa izany noho ny nitondrana bala tena izy. Mpianatra no atrehina, bala tena izy no entina? Mpitandro filaminana manao ahoana izany? Avy eo ailika any amin’ireo mpianatra ny tsiny rehetra amin’izay vokatr’izany, na itadiavana hevitra hafa, mba tsy ho voasaringotra ny tompon’antoka tamin’izany famoizana aina sy rà latsaka izany.

Ireo aloha no tanisaina. Mitaky ny volany sy ny zony ny olom-pirenena izay manana zo tanteraka amin’izany. Matoa ireo toe-javatra ireo sy ny hafa mitranga dia tsy mahavita ny andraikiny izao fitondrana ankehitriny izao. Raha tena manana ny fitiavan-tanindrazana marina ny mpitondra hatramin’ireo solombavambahoaka mpanao vavabe sy loholona miara-dia aminy ireo, ary mitsinjo marina ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, dia amin’ny karamabe sy tombontsoa azon’izy ireo isan’andro sy isam-bolana hanalàna, raha toa ka sahy hilaza ho tsy manam-bola ny fitondrana. Ny vahaolana amin’izao fitakiana maro samihafa dia tsotra, omeo ny volan’olona, raha tsy izany dia mametrà fialana rehefa tsy efa izany.