Fanaparam-pahefan’ny zandary – Tsy izy intsony ity, mitokona hatramin’ny Fifohazana

Stefa

Tsy izy intsony ny zava-misy amin’izao fotoana izao eto amintsika, noho ny fanaparam-pahefana ataon’ireo zandary sasany. Notongavan’ny Apôstôly Fifohazana avy any amin’ny Tobin’ny Fifohazana any Soatanàna omaly, tao amin’ny Tribonaly any Fianarantsoa, faritra Matsiatra Ambony. Ny anton’izao hetsika izao dia noho ny fanararaotam-pahefan’ny Zandary tany Isorana. Faritra tsy milamina ny any amin’izany faritra Isorana izany amin’izao fotoana.

Araka ny nambaran’ireo Apôstôly, misy resaka basy ity raharaha ity, noterena handoa vola be ny Apôstôly iray nitana basy tany an-toerana, ka rehefa tsy nanaiky dia nataon’ireo mpitandro filaminana izay nanamelohana azy. Tonga tany amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony ireo Mpiandry ireo omaly, nitaky tamin’ny fampanoavana tany an-toerana ny hamoahana ny namany, satria fiampangana tsy mitombina ny fiampangana azy, hoy izy ireo.