Mpianatra maty voatifitra tany Toamasina – Nanao Diabe ireo mpianatra ho fanamafisana ny firaisankinany

Isambilo

Nanao diabe ireo mpianatry ny Oniversite any Toamasina, ho fanamafisana ny firaisankinany, noho ilay mpianatra maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny herinandro teo tany Barikadimy. Arak’izany, nanatanteraka diabe ny mpianatra ao amin’ny Oniversite B5 Barikadimy Toamasina omaly, mba ho fanomezam-boninahitry ny fanahin’Itompokolahy John Elie Michel, mpianatra taona faha-2, sampana toe-karena, izay namoy ny ainy ny alakamisy 18 febroary 2021 lasa teo.

Nitafy lobaka mainty sady nifampitantanana, nentiny nanamarika ny firaisankinany ireto mpianatra ireto nandritra ny diabe, ho mariky ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’Itompokolahy, izay maty noho ny hetsika fitakiana vatsim-pianarana. Mangataka ny fanazavana mahakasika ny resaka momba iny raharaha iny, indrindra ny momban’ny bala very tsy nahy (balle perdue) koa ireto mpianatra.

Fantatra ihany koa, fa nifamotoana tetsy amin’ny Fast Food, Ankatso, Antananarivo ny mpianatra avy amin’ny Faritra 22 eny amin’ny Oniversite, omaly alatsinainy 22 febroary tamin’ny 5ora hariva. Lobaka mainty ihany koa no nanaovan’izy ireo, ho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’Itompokolahy John Elie Michel, sy ho fiaraha-mientana amin’ny mpianatra any amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana.