Depiote TIM sy Miara-manonja – Mitohy ny tolona amin’ny ady amin’ny fanaparam-pahefana

Isambilo

Azo lazaina ho nahomby ny hetsika nataon’ny Miara-manonja, sy ireo depiote TIM eto Antananarivo Renivohitra ny sabotsy teo, teny Analakely sy ny manodidina, na tsy tafiditra teo amin’ny 13 mey aza ny vahoaka sy ireo depiote, satria lasa ho toy ny tanàna maty ny afovoan-tanànan’ny Renivohitra tamin’io fotoana io. Matahotra mafy ny mpanohitra ny mpitondra, ka namoaka ireny mpitandro filaminana, sy fitaovam-piadiana marobe ireny, toa nisy mersenera vahiny koa aza nandritra izany, satria azo sary ireo olona lavabe sady fotsy hoditra misarotava nandritra io fotoana io, izay miisa 6. Ireo olona avy any ivelan’Antananarivo koa nandritra iny fotoana iny dia voasakana: ny avy any Antsirabe hiakatra an’Antananarivo, ny avy any Tsiroanomandidy nikasa hiakatra ny renivohitra. Tena fanitsakitsahana ny fahazoan’ny olom-pirenena mivezivezy tsotra izao, no nataon’ny mpitondra, fanitsakitsahana ny lalam-panorenana, satria voalaza ao amin’ny lalàna fototra, fa zon’ny olompirenena rehetra ny mivezivezy eto amin’ny firenena.

Fa manoloana iny zava-nitranga, nisy ny fanambarana nataon’ireo depiote avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM): Ny Antoko Tiako i Madagasikara sy ny Mpanohitra, rehefa nanao fampahafantarana ny Solombavambahoaka TIM voafidy teto Antananarivo Renivohitra, fa hanao tatitra dia namaky ady avy ahatrany tamin’ny vahoaka ny mpitondra fanjakàna ‘’Andry Rajoelina’’, satria noraisin’izy ireo toy ny dahalo sy fahavalom-pirenena ireo olona izay naniry hanatrika izany tatitra izany, eny fa na dia ireo vahoaka avy any ivelan’Antananarivo aza dia voahitsakitsaka ny zony noho ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana teo amin’ny lafiny fifamoivoizana, ka tsy nahafahany namonjy izay alehany na dia tsy nisy nifandraisany amin’ny tatitra akory aza izany.

Nanampy trotraka ny fisamborana ireo olona niakanjo mena, na dia tsy nisy soratra ‘’Miara-Manonja’’ aza.
• Noho ireo antony ireo dia melohanay tanteraka izany fihetsika izany, ka handraisanay izao fanapahan-kevitra izao:
o Tsy tatitra fotsiny intsony no hataon’ny Solombavambahoaka sy ny mpiaradia aminy, fa hiantso ny vahoaka iray manontolo hiady amin’ny jadona sy ny fanamparam-pahefàna.
o Manameloka ny famonoan’olona toy ny tany Toamasina, sy ny fandatsahan-drà ary ny fisamborana natao teto Antananarivo.
o Manameloka ny hazalambo atao amin’ny mpitarika sy ny solombavambahoaka.
o Tsy hitsahatra ny hetsika, raha tsy tafiditra eo amin’ny kianja 13 mey hanao tatitra sy haneho hevitra ankalalahana ho taratry ny demokrasia.
o Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny mpiaro ny zon’olombelona mba hijery akaiky izao toe-draharaha izao.
Natao izao fanambaràna izao, mba hampahafantarana ny vahoaka fa MITOHY NY TOLONA.