Habibiana nataona dahalo – Olona miisa 9 iray trano nodorany velona tany Benonoky Betroka

Stefa

Nampihorin-koditra ny trangana tsy fandriampahalemana niseho ny alahady lasa teo tany atsimon’i Madagasikara, tany amin’ny faritra Anôsy iny. Tranga tsy fandriampahalemana niseho afak’omaly tao Benonoky, fokontany Vohimary, kaominina Mahasoa Est, any amin’ny distrikan’i Betroka. Olona miisa 9 no maty, ka 3 vavy ary 6 lehilahy, izay iray trano, nodoran’ny dahalo velona izy ireo, sy ny entana rehetra ary ireo omby 3, sy ondry 20 may tao an-trano ihany koa, ny omby 2 kosa no lasan’ireo dahalo.

Ireo rehetra nahare izao vaovao izao dia samy nilaza avokoa, aiza ireny mpitandro filaminana marobe teny Analakely ireny ? Raha ireny no nalefa any amin’ny tany lavitra Andriana any hoy izy ireo, tsy nisy ny habibiana ataon’ny dahalo toy izao!