LAHATSORATRA FARANY
TOETRANDRO ANDROANY
Atao fitaovana politika ny fivavahana. ... TohinyFintinina
4 ora lasa
- Likes: 24
- Shares: 1
- Comments: 1
Comment on Facebook Matio 6, 5 & 6 : ...
Mazava tsara
... TohinyFintinina
18 ora lasa
Comment on Facebook ALERTE DICTATURE ! ...
Please translate it into malagasy
RY VEHIVAVY MALAGASY !
(Atolotra noho ny ANDRON’NY VEHIVAVY 08 MARSA 2021)
Ry vehivavy, matokia ka mijoroa raha mino ianao,
Fa momba anao ilay Tompo tia, akaiky sady tsy mandao.
Ny fahoriana izay misesy, handalo foana ihany ireny,
Fa ianao dia ho mpandresy raha Jesoa no Kapiteny.
‘Ndao hiaraka manonja, hisafidy ny ho mpanohitra.
(Ny finoana kely monja, mahafindra tendrombohitra!)
Hotoherina ny ratsy, avia ka mifandraisa tanana,
Dia hiposaka atsy ho atsy ilay marainam-piadanana!
Tano ny firaisan-tsaina, fisarahana halaviro.
Ianao indrindra no ilaina mba hijoro ho tena jiro,
Dia hisava ny hamaizinana ‘zary nampitondra faisana,
Ka ny lalam-pahamarinana, io no hany zotra iraisana.
Mijoroa ry vehivavy, ry fanaingam-pivoarana.
‘Ndao hibanjina ny hoavy, aleo ny tsara no ianarana.
Misy tanjona kinendry, mirosoa, aza mijanona,
Fa ny “vehivavy hendry” mira “firenena vanona”!
TSIMIMALO (08-03-21)
www.gvalosoa.net/2021/03/08/ry-vehivavy-malagasy/ ... TohinyFintinina
22 ora lasa
Comment on Facebook RY VEHIVAVY MALAGASY...
Mankasitraka
08/03/2021 Izahay eto @ Ny Valosoa Vaovao dia faly miarahaba ny vehivavy rehetra tratry ny andro androany. ... TohinyFintinina
1 andro lasa
Mitohy ny tolona. ... TohinyFintinina
2 andro lasa
MPANONGAM-PANJAKANA ?
Mihovitrovitry ny tahotra ry zareo ery ambony,
Ka ny ataony sy ny saininy, tsy voalanjany intsony!
‘Reo izay mihetsika rehetra, n’iza n’iza eto an-tanàna,
Dia heveriny daholo fa mpanongam-panjakana.
Olona miakanjo mena, tazana mizotra tsara,
Tampoka eo dia nobataina sy nalefa anaty fiara.
Tonga dia nosokajiana fa mpanongam-panjakana,
Ka nogiazana avy hatrany sy nalefa am-pigadrana.
Mpianatra mitaky vatsy f’efa noana tsisy hatokona,
Dia nanaovana herisetra sady nitondrana “bokona”.
Tena nisy nosamborina ka handalo fitsarana,
Fa hoe manam-pikasana ny hanongam-panjakana.
Solombava miomankomana hanao tatitra mazava,
Dia niharan-tsakantsakana ary dia voaenji-dava.
Manan-jo ny ho amin’izany, izay tondroin’ny lalàna,
Saingy kosa voakilasy fa mpanongam-panjakana.
Tondromolotra no miasa ka ‘reo olo-manakiana,
Dia anaovana antsojay fa hoe mpitari-pikomiana.
Didy jadona no eto, foana ny fahalalahana,
Ary hevitr’olon-tokana no tadiavina hibahana.
…Lalitra mihetsika aza, angamba koa dia ho voatana,
Fa tsy maintsy hokilasiana ho mpanongam-panjakana!
Ny antony dia tsotra ihany: efa tena “tsy ao intsony”,
F’efa manonofy ratsy ireo rehetra ery ambony!
TSIMIMALO (05-03-21)
www.gvalosoa.net/2021/03/07/mpanongam-panjakana/ ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Comment on Facebook MPANONGAM-PANJAKANA ...
"ny VAHOAKA no ANDRIAMANJAKA" Manongam-panjakàna foana ny tarika Rajoelina: 2009:Naka fahefàna anKERINY,TSY SAFIDIMBAHOAKA! 2018:Naka fahefàna amPITAKA,HALABATO,TSY SAFIDIMBAHOAK! 2018-2021:Mifikitra @ fahefàna anKERINY,MAMORITRA VAHOAKA!
Nanomboka teto dia voavidy vola avokoa na ny tafika , fitsarana , ny vahoaka madinika natao sorona teny ambotsiroitra . D aveo lasa firenena mahantra fadiranovana . Mbl ho tsarainy tantara eto daholo f n aina no mahatezaha
Tanora RMDM sy Union des Jeunes pour la Révolution – Mitaky ny famoahana ireo gadra politika 12 mianadahy
Nangonin’i Stefa
Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ny antoko TIM, sy ny RMDM, tetsy Bel’Air Ampandrana afak’omaly, ny tanora RMDM, sy ny Union des Jeunes pour la Révolution. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’izany mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana.
« Izahay tanora ato amin’ny vondrona RMDM sy ny Union des jeunes pour la révolution dia manao izao fanambaràna izao : tsapanay ankehitriny ny fangirifirian’ny Tanora Malagasy satria :
. Tsy hita taratra ny ho avin’ny tanora.
. Maro ireo nahita fianarana , nefa firy amin’izy ireny no mba mahita asa .
. Ao koa ireo izay tsy afaka manohy izany noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny ray amandreny.
. Miakatra isan’andro ny vidim-piainana eto Madagasikara ; maro amin’izy ireny no very fanahy mbola velona , ka lasa mivarilavo : eo ny olan’ny JIRO sy RANO ; eo ny tsy fandriampahalemana.
Hita ankehitriny ny fanapenam-bava amin’ny endriny maro . Anisan’izany ny tsy fahafahana maneho hevitra , ny tsy fahafahana mivezivezy malalaka eto amin’ny tanin’ny Repoblika. Ka noho ireo antony voalaza ireo dia mijoro izahay tanora hiady amin’ny jadona. Miantso antsika tanora rehetra, fa tompon’andraikitra amin’ny ho avin’ny firenentsika isika. Ny fijoroanao androany no antoky ny fiainanao rahampitso ka tsy tokony ho lalaovina ny ho avintsika tanora. Mitaky ny famoahana azy 12 mianadahy voafonja koa izahay ».
www.gvalosoa.net/2021/03/07/tanora-rmdm-sy-union-des-jeunes-pour-la-revolution-mitaky-ny-famoahan... ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Comment on Facebook Tanora RMDM sy Union...
misaotra e
Dia ahoana tsara moa izany ? mitaky dia ahoana avy eo ? dia misy tohiny sa vita eo ilay resaka ?
TENA IKOHIZANA MIHITSY IRETO MPITONDRA IRETO. TSY IZAO NO FAMPANDROSONA ANDRASANA. # 🙏🙏🙏💓 MAKAHERY Ré RY IZY 12 MIANADAHY💓#.
Faminaniana ho an’ny firenena
Nangonin’Isambilo
Hiova endrika kely ny Hadihady eto amin’ny gazetinao androany. Fanehoan-kevitry ny HMF, na ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana mahakasika ny raharaham-pirenena no ho eo amin’ny toerany androany. Manadihady sy mamakafaka ny raharaham-pirenena izay koa ny HMF ireto ary ampifandraisiny amin’ny Soratra Masina izany.
« Ny fahamarinana manandratra ny firenena; fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ny olona » (Ohabolana 14,34), izay no hitondran’ny HMF ny FAMINANIANA HO AN’NY FIRENENA.
Manan-kolazaina amin’ny firenentsika Andriamanitra anio fa isika Malagasy dia azo sokajiana ho vahoakany ; tsy vitsy amintsika no Kristianina vita batisa na batemy , mpandray ny Fanasan’ny Tompo na vita Kominio na koa finoana hafa miantso ny Anaran’Andriamanitra. .. Rehefa natahotra an’Andriamanitra ny Mpitondra sy ny vahoaka dia « miadana » ny firenena (2 TANTARA 20,30).
Koa manoloana ny zava-misy eto amin ‘ny firenena dia tery am-panahy tanteraka izahay , hitondra izao hafatra izao ho an’ny firenena , indrindra ho an’ny Mpitondra , ny Mpanao politika , ny miaramila , ny Mpitsara , ny fiaraha-monim-pirenena , ny vahoaka rehetra mahalala an’Andriamanitra :
1.« … Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho nyolona. » (Asan’ny Apostoly 5,29). Koa manainga antsika Kristiana manam-panahy rehetra na inona na inona andraikitrao mba tsy hamono ny feon’ny fieritreretana ka handika ny didin’Andriamanitra ny amin’ny fanajana ny aina sy ny fahafahana ary ny fihavanana fa hanome Hasina sy Hijoro amin’ny maha-vita Batisa sy maha-Mpandray Fanasan’ny Tompo na Kominio, hijoro amin’ny maha-Kristianina sy olom-pirenena vanona ka tsy hananteraka asa mifanohitra amin’ny Sitrapon’Andriamanitra na hanitsaka ny rariny ka hampitondra alahelo ny vahoakany izay efa sahirana rahateo, fa :« Izao no lazain’i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondra tena, ary aza mandatsaka rà marina amin’ity fitoerana ity. » (Jeremia 22,3).
2.« Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. »
Manao antso avo ho an’ny Kristianina sy ny olona matahotra an’Andriamanitra rehetra na inona na inona firehany mba ho mpandray anjara amin’ny fampanjariana ny fahamarinana, dia ny rariny sy ny hitsiny ho tonga fiainan’ny firenentsika . Izany dia mba ho fanarenana ny firenena izay efa rotiky ny Krizy niverimberina . Isika no nolazain’i Jesoa hoe « Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. » (Matio 5,14). Isika no antenaina hitondra fahazavana eto amin’ny firenena fa tsy ny mifanohitra amin’izany . Isika no antenaina hiala sy handao ny kolikoly amin’ny endriny rehetra ; isika no antenaina hampakatra avo ny hasin’ny fihavanana ka hikolo sy hitandro ny “fihavanan’ny mpiray tanindrazana tsy ho rava” na dia ekena fa tsy maintsy misy ny hevitra tsy mitovy . Ny vanim-potoanan’ny Karemy toy izao dia mampahatsiahy antsika fa MPANAFAKA isika: « Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefany ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? » (Isaia 58,6). Fotoana famitranam-pihavanana amin’Andriamanitra sy ny namana ny Karemy koa aoka hahay manararotra izany isika.
3.« Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; nymahitsy no hahita ny tavany*.» (Salamo 11,7). Manainga antsika ho sahy hijoro vavolombelon’ny Tompo amin’ny fahamarinana iainana fa tsy am-bava na vola na ny tenda ihany . Aoka tsy resin’ny fiandaniana isika fa hanana maso mijery marina ary sofina mihaino tsara ny tena zava-misy ka hivavaka ho an’ny firenentsika mba hanjakan’ny fihavanana sy ny fiadanana. Aoka izay mahalala an’Andriamanitra rehetra hanao asa mifanaraka amin’ny maha-Kristianina sy maha-mpino azy fa tsy ho voatarika amin’ny asan’ny devoly izay mahatonga antsika hifandramatra sy hifandrafy ary hifamono sanatria!. Andrasan’ny vahoaka avy aminareo Mpitondra sy Mpanao politika isan-tokony ary mitonona ho Kristianina ny mba hitandro mandrakariva ny “fahamarinana “ ka hilaza izay tena marina amin’ny vahoaka ary hahazaka fifanitsiana sy fanakianana ary hanaiky fa tsy misy ny tonga lafatra ka hanitsy hatrany ny dia , anisan’izany ny fanehoana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka sy ny harem-pirenena. Fa ireto dia zavatra halan’Andriamanitra « Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy. » (Ohabolana 6, 17 – 19).
4.« Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ny mandana oAho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’i Jehovah, aza mitsahatra; » (Isaia 62:6) : Niandany tamin’ny vahoaka nijaly sy nampahoriana hatrany ny mpaminany na dia nenjehina sy nampijaliana, noho izany aza ( Jeremia,) . Izy ireny no Raiamandreny nananatra sy nanoro hevitra tamin’ny fotoan-tsarotra teo amin’ny fireneny , nampihavana sy namitram-pihavanana tamin’Andriamanitra ary nampianatra ny vahoaka iaina amin’ny rariny sy ny hitsiny mba tsy hisy “hanisy ratsy ny namany”. Tsy nangina raha niseho ny fanaparam-pahefana nataon’i Davida Mpanjaka fa niteny sy nananatra tamin’ny fahasahiana (Natana Mpaminany : 2 Samoela 12,7) . Ekena fa mila fahasahiana sy fahendrena ny miteny sy mananatra ; koa manaitra antsika Mpitondra fivavahana namana rehetra mba tsy hitazam-potsiny manoloana izao fahasahiranana izao ka ho “toy ny ondry tsy misy mpiandry” sanatria , ny vahoaka.
Hoy ny Hafatry ny Mpaminany Isaia ho an’Ilay firenena mpanota sy mavesa-keloka:« Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany; Fa raha mbola mandà sy mihodina ihany ianareo, Dia ho lanin’ny sabatra: Fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny. » (Isaia 1,19 – 20). TSY OZONA NA FIANTSOANA LOZA HO AN’NY TANINDRAZANA SANATRIA FA “FAMINANIANA HO AN’NY FIRENENA” !
« Tsy hangina Aho noho ny amin’i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra. » (Isaia 62,1).
www.gvalosoa.net/2021/03/07/faminaniana-ho-anny-firenena/ ... TohinyFintinina
2 andro lasa
EDITO 6 Marsa – Mpitondra miovaova hevitra, midika tsy fahaizan’asa
Sôh’son
Amin’ny fomba ahoana no azo ieritreretana, fa ny tomponandraikitra eto amin’ity firenena ity dia hafa ny teniny androany, dia miova iny tsy tazoniny intsony afaka andro vitsy? Ahoana no andraisan’ny vahoaka azy sy itokisany azy amin’ny manaraka? Ary tsy midika ho tsy fahaizan’asa tsotra izao ve izany? Niseho izany tamin’ity herinandro ity, ary sakodiavatra ny maro nandre ny teny nambarany. Ny prefet-an’Analamanga io. Na iza na iza ihany koa no mikasa hanao hetsika, tsy misy afaka mandà fa vahoaka Malagasy ireo. Ireo anefa no miantoka ny karaman’ireto olom-panjakana mifehifehy azy sy miovaova hevitra lava ireto. N’inona n’inona adihevitra na fanazavana, tsy maintsy misy fiantraikany any amin’ny fientanam-pon’ny olona eo amin’ny fampandrosoana ity firenena ity izany. Asa, hatraiza ny fandehanan’alavitry ny sain’ny manam-pahefana isan-tokony avy eto amin’ity firenena ity rehefa miatrika fipoirana faniriam-bahoaka toy izao? Toy ny ankehitriny ihany no ifanotofona “tsentsemana” sao “handoro lamba”? Miantehitra amin’ny hazo boboka ve ity vahoaka Malagasy ity?
Ary tsy izy ihany, fa misy ihany koa ny tomponandraikitra tsy mitana ny teniny io, fa ny zavatra notoheriny fatratra tamin’izy tsy mbola teo amin’ny fitondrana, vavabe no nataony tamin’izany, ankehitriny toa iniana adinoina. Tsy hita ho izy no mitarika amin’izany ho amin’ny fanatanterahana azy eo anivon’ny fitondrana rehefa ao anatiny izy. Tsy nisy fiovàna ny fomba fiasan’ny fitondrana na tany amin’ny tetezamita, na ankehitriny. Mazava loatra, tsy niezaka nanatanteraka ny fitakiana nataony taloha izy, fa raha nataon’izy ireo izany, efa hita taratra ny fiovàna amin’izao fotoana izao. Porofo akaiky amin’izany, ny fampidirana am-ponja avy hatrany ny olona vao alaina am-bavany voalohany (miakatra parquet) amina raharaha mafampana eto amin’ny firenena, toa ireo nahazo ireo olona 12 nosamborina teny Analakely tamin’ny fotoana saika nanaovan’ireo dépiote Tim tatitra teo Ambohijatovo. Tranga maro niseho tamin’ny fotoan’andro tamin’ny tetezamita izany ary mbola mitohy izany amin’izao fotoana izao, tsy misy fiovàna.
Inona no antenain’ny vahoaka Malagasy amin’izao fitondrana izao raha toy izany no zava-mitranga. Tsy misy ny fiovàna, fa vao mainka aza tranga mampanahy lalina no miseho amin’izato toetran’ny tomponandraikitra mivadibadika. Ny irariana mafy dia tsy ho lasa leson-dratsy ho an’ny taranaka any aoriana toy ny efa naseho tao anatin’ny tetezamita izany.
www.gvalosoa.net/2021/03/07/edito-6-marsa-mpitondra-miovaova-hevitra-midika-tsy-fahaizanasa/ ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Sabotsy 6 marsa 2021.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net ... TohinyFintinina
2 andro lasa
Mankasitraka anareo. ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Photos de la publication de Le Jité ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_3785201028266710
Ny sisin-tany no mila ambenana. Ny dahalo no mila enjehina. Ny mpanodikondina sy mangalatra ny harem-pirenena no mila gadraina sy saziana. Ny mpamono olona, ny mpandoro tanety, ny mpamolaka zaza amam-behivavy...izany no mila saziana sy tsy avela hanao ny tiany atao.
Izy ty moa zany le niantefan ny aza mihatsaravelatsihy fa tonga dia izay lazaina lazaina,ohatrany mbola tsy noraisiny ilay hafatra an
ny olon kendry ange mahatakadavitra e! tsy adala akory ny vahoaka! manao ny asany izy de avelao o eo!
Tsara e! ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_3785163088270504
Mankasitraka anareo rehetra manohana ny atao e
Tandremo prezidà fa tsy vendrana daholo ny Malagasy! ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook 3783907908396022
mba ny tombontsoan ny vahoaka malagasy banjinina fa tena efa trop mihitsy ny zava mitranga! Malagasy misaina
Mmmmmhh'''''🤭🤭🤭🤭🤭
Hanaiky ihany moa koa nandaginina foana hatramin’izay.
Tsara rehefa nahare ny tabataban’ny 6%.
Mankasitraka ireo rehetra nisalahy nahatafitàna @ izao dingana izao.
Alefa depiote TIM. Alefa Miara-manonja.
@ sabotsy izany no mifankahita. ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook RAIKITRA FA EO MAGRO...
raha mande atongotra dia milahara tsara maka sisiny mba tsy hamoronany sasany indray hoe mamorona embouteillage dia makà àdroite tsara hendry ny Mpanohana ny Miaramanonja