EDITO 23 Febroary – Fitondrana Rajoelina – Fanitsakitsahana ny zon’olombelona no nataony ny sabotsy teo

Sôh’son

Tena mena-mitaha amin’ny firenen-kafa i Madagasikara ankehitriny, raha eo amin’ny fomba hanehoan’ny vahoaka hevitra momba ny fireneny. Tsy haka lavitra, iaraha-mahita sy mandre amin’ny fampitam-baovao ny hetsi-bahoaka aman’hetsiny nidina an-dalambe ao amin’ny Nosy Maorisy, izay tsy lavitra antsika. Milamina ny hetsika ary tsy manakorontana ny mpitandro filaminana, fa hainy tanteraka ny mifehy izany. Ny vahoaka manao hetsika an-dalambe milamina sy afaka maneho ny heviny tsara, ny mpitandro filaminana maorisiana mahavita ny andraikiny. Ilazaon-dry zareo maorisiana lavitra ny mpitondra Malagasy sy ny firenena Malagasy. Efa nilaozany lavitra ara-toekarena sy fandrosoana, fa vao mainka koa ariany lavitra amin’ny lafiny toe-tsaina momba ny fitantanam-pirenena.

Asa na mbola ho sahy hidehaka sy hilaza ihany, fa ho fitaratra sy môdely aty Afrika i Madagasikara aoriana kely ao, anatin’izao fitondrana Rajoelina izao. Resaka ka mba hatao ny azy. Niharihary tsara ny zava-nitranga na tamin’ny fitsangatsanganan’ny Miara-manonja teny Imerinkasinina, na vao tamin’ny sabotsy teo indray teo Ambohijatovo, sy teo amin’ny 13 mey Analakely. Noroahina mihitsy ny olona, sy izay mitangorongorona rehetra. Ny olom-pirenena manana trano fonenana teo amin’ireo toerana ireo aza tsy afaka nody tany aminy. Mazava loatra, fa fanitsakitsahana ny zon’olombelona tanteraka izany ary andrasana mihitsy ny fanamelohana ataon’ireo fikambanana rehetra milaza ho mpiaro ny zon’olombelona eto amin’ny firenena.

Maro ny olom-pirenena no voatohintohina ny fiainana sy fihariana tamin’iny andro iny. Miteraka fatiantoka sy fahavoazana ho azy ireo izany. Hivaky loha amin’izany ve ny fitondrana? Tsia velively, satria efa nataony hatramin’izay ny tsy miraharaha izay olona voa mafy any ao anaty zavatra ataony toy ireny. Ary efa fantatra mandrakariva, fa ailiny any amin’ny hafa hatrany ny fahadisoana mitranga na dia izy aza no fototry ny olana. Ny mahamaika azy sy vaindohan-draharahany dia ny fiarovana tombontsoa sy seza. Mitombina araka izany, ilay fitenin-jatovo hoe “kapoaka aloha vao vahoaka”, ho azy ireo. Tsy misy adihevitra io, fa fanenjanana amin’ny fanamparan-kery no miandry izay mitady hihetsika rehetra hanohintohina izany. Dia ireny voina nitranga tamin’ny mpianatra ireny ihany koa no fisehon’izany.

Izany rehetra izany anefa dia tsy mampandroso, fa vao mainka mampihemotra ny firenena miohatra amin’ny firenen-kafa. Efa mitana ny rambony hatrany isika eo amin’ny sehatra maro samihafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, na mihambo hahavita zavatra ity fitondrana Rajoelina ity. Tsy vonona sy tsy manana finiavana amin’ny hiezaka hiala, na hampiala ny firenena amin’izany anefa izy. Toa zary giazana tsy tiana hivelatra ny saim-bahoaka. Tsy misy antenaina intsony ny amin’ny mpitondra toy izany, fa ny miala no mety aminy.