Fitondrana Rajoelina – Malemy ary mihorohoro tanteraka manoloana ny tsy fahaizany mitantana

Andry Tsiavalona

Nandalo toe-draharaha tsy mbola nisy toy izany teto an-drenivohitra ny sabotsy 20 Febroary 2021 lasa teo, satria tsy azo nidirana mihitsy ny teto afovoan-tanàna nanomboka vao mangiran-dratsy. Nanampy ireo « mpitandro ny filaminana » nilanja fitaovam-piadiana mahery vaika nanao ny fanakanana ny namoahana ireo fiara mifono vy nirantiranty teny amin’ny toerana rehetra afahana miditra ao amin’ny Kianjan’ny 13 Mey.

Na izany na tsy izany dia efa taty Madagasikara daholo indray ny mason’izao tontolo izao, na dia tsy nisy angidimby naniditsidina aza teny amin’ny habakabaky ny Renivohitra. Ny mpomba ny fitondrana moa dia nanambara fa tena mahay stratejia ny foloalindahy ary nanaovana fandokafana tsy nisy toy izany. Tsy vitan’izay, fa ireo fiara mpitatitra avy any amin’ny Faritra saika nihazo ny Renivohitra dia tsy nisy navela niala tany amin’ny toerana nisy azy ireo nanomboka tamin’ny roa ora maraina. Raha fintinina dia raha azon’ny mpitondra natao ny namoaka lalàna maika nametrahana hamehana (état d’urgence) tsy nahazo nivoaka ny trano ny vahoakan’Antananarivo nanomboka tamin’ny 5 ora maraina, ka hatramin’ny 5 ora hariva dia nataony izany.

Ny miseho ho manampahaizana eo amin’ny fandalinana ny fiainana ara-politika anefa dia sahy nilaza, fa nitsanga-menatra ireo solombavambahoaka enina mianadahy saika nanao tatitra. Raha navela niditra teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey anefa ireo solombavambahoaka ireo, ka olona aman-jatony no tonga teo dia izay vao afaka mirehaka ny mpitondra, fa resy iretsy nanana fikasana. Ambonin’izany dia efa niaraha-naheno ny fandrahonana azy ireo ho faty nalefan’ny « Tambatra » tamin’ny onjampeo ny voalohan’ny herinandro lasa iny. Hita ihany koa, fa na dia ny mponina nandeha niantsena aza dia voasakana tsy nahazo niditra tao afovoan-tanàna. Tsy maintsy nandray fepetra koa ny mpitarika ny hetsika, mba tsy hisehoseho satria tsy nahamenatra ny mpandray baiko ny nitifitra azy ireo. Araka izany dia niaraka tamin’ireo nanana fikasana nihaino ny tatitra teny rehetra teny izy ireo.

Tsy manana ny fahaiza-manao sy hakingana eo amin’ny fitantanana ny Firenena ho fandresen-dahatra ny mpitondra, fa basy aman-tafondro sy miaramila mifono « casques » ny lohany sy mirongo fitaovam-piandiana no enti-mifanandrina amin’ny mpiray firenena tànam-polo. Manaporofo izany fa malemy ary mihorohoro tanteraka izao fitondrana izao manoloana ny tsy fahaizany mitantana, ny gaboraraka, ny fanomezana laka ny kolikoly sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary indrindra indrindra ny tsy fahitany vahaolana amin’izao fahantrana tsy roa aman-tany mianjady amin’ny vahoaka sy ny Firenena izao.

Tsiahivina fa niaina ara-dalàna ny vahoaka malagasy nandritra ny Repoblika I ary ankoatry ny tafika sy zandary ary polisy dia nanana ny FRS (Force Républicaine de Sécurité), izay niaro ny mpitondra kanefa dia singam-bolo nandavo ny vosotra ny vava tsy ambina « tsak tsak zato, arivo », ny nandefasana sesitany tany Nosilava ny mpianatra ary ny fandatsahan-drà teo amin’ny kianjan’ny 13 Mey ny taona 1972. Nihevitra koa ny mpitondra tamin’ny Repoblika II, fa azo antoka, fa tsy nisy afaka nanozongozona ny fitondrana satria nanangana andian-tafika manokana RESEP (Régiment de Sécurité Présidentielle) kanefa dia nidaraboka izany fitondrana izany noho ny fandatsahan-drà ny mpiray Firenena ny 10 Aogositra 1991. Niantehitra tamin’ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) ny fitondrana tetezamita kanefa nasain’ny vondrona iraisam-pirenena nofoanana ary ny manamboninahitra nitarika izany aza dia nisintaka tao, satria tsy ny fampiasana ireo hery eo am-pelatanana no vahaolana hahafahana manavotra ny Firenena.

Amin’izao fotoana izao dia heno fa manangana andiany mitovitovy amin’ireo voalaza etsy ambony ireo ny mpitondra amin’izao Repoblika IV-2 izao. Tsy teto Madagasikara ihany no nisy mpitondra jadona nampiasa ny tafika namoretana ny vahoaka, fa nisy toy izany koa tany amin’ny firenen-kafa any ivelany any kanefa dia nirodana ihany satria ny vahoaka ihany no tompon’ny fahefana.