Antsojain’ny fitondrana – Afaka ny zanak’i Me Hanitra

Niaina

Antsojain’ny fitondrana, afaka ny zanaky ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa dia Me Francesca, rehefa niakatra fitsarana omaly, tao aorian’ny nitazonana azy teny amin’ny mpitandro filamianana teny Ankadilalana.

Tao aorian’ny fitsarana nanao fanambarana fohy depiote Me Hanitra: “ misaotra ny Holafitry ny Mpisolovava sy ny avocats rehetra, ianareo nanampy, nanotrona, nivavaka. Lehibe ny famindrapony. Tsy MAHAFAPO ny didy nefa isaorana ny zavatra rehetra: 3 volana sazy mihantona nohon’ny faniratsirana, sy lamandy 50000 Ar, noho ny filazana fa nitazona rongony no sazy azony. Vainafo ambony lohan’ny MPANDAINGA iny”, hoy izy.

Mahakasika ity raharaha, nanazava mahakasika izany ny depioten’Antananarivo voalohany tamin’ny faran’ny herinandro teo. Toy izao hoy izy no nambaran’ny zanako sy ireo niaraka taminy: “ nosakanan’ny zandary mirongo basy maromaro teo amin’ny poste Ampitatafika, teo amin’ilay toerana nanakanana ahy ihany koa ny fiara nisy ny zanako. Efa nisy nanome signal, fa tao anatin’ny iray amin’ireo fiara 3 niaraka izy. Tsy nitondra fiara izy. Nosavaina daholo ny fiara 3 hatrany anaty malle hatrany anaty poketra ny tsirairay. Tsy nahitana na inona na inona. Izy 3 vavy kosa tsy nosavaina toy ny lehilahy. Niteny ny zanako hoe tsy savaina lehilahy, satria ny fisavana vehivavy dia vehivavy ihany no manao izany kanefa tsy nisy vehivavy teo. Nentina niditra tao amin’ny poste an’ny zandary izy 3 vavy dia natao fouille, ka tsy nahitana na inona na inona. Avy eo ny zanako niteny hoe afaka misolo “serviette hygiènique” ve, fa efa feno be dia navela nankao. Rehefa nivoaka izy dia nisy zandary niditra tao amin’ny douche dia niteny hoe io misy taratasy kely miforiporitra misy rongony “chanvre indien” kely, anao io saika harianao ve? Nandà ny zanako hoe “nisolo serviette no nataoko, fa tsy hametraka rongony ao. Izaho tsy mifoka rongony no tsy mitazona rongony hoy izy. Tsy marina izany ny filazana, fa tsy nety nosavaina izy, sy ny hoe saika hanary rongony tanaty taratasy kely. Aleo izay nahita sy nanatrika ny fouille, no hilaza ny marina fa tsy izay minia manaparitaka zavatra diso. Gardée à vue hatramin’ny omaly hariva ny zanako vavy any amin’ny zandary Ankadilalana fa tsy ao Ampitatafika. Tsy fifandrifian-javatra akory ny daty 20 fevrier 2021. Ny zanako namonjy adidy, tsy manao politika, tsy nivory politika, tsy nanao akanjo polo mena, tsy misy idirany ny politka ataoko. Aleo ny marina no hivoaka. Ny fitsarana marina no hatao. Aza atao “chantage” izy hoe: “asaivo mankaty ny mamanao dia milamina io”. Manana fon-dreny sy ray niteraka isika, fon’olombelona fa tsy fo vato. Samy maneho ny fitiavany ny tanindrazany isika, fa tsy hifamono sy hifamotika akory. Ny hevitra no tsy mitovy, fa tsy ny olona no hifandrafy”, hoy izy namarana ny fanazavany.