NY MPANOHITRY NY TAONA 2021

Hendry lavitra mihitsy ny mpanohitra amin’izao.
Tsy toy ny tamin’ny anareo izay tena tsisy kalitao.
Fa ny azy tsisy herisetra ka milamina ny tolona,
Tsy tahaka ny anareo izay misy fanozonana olona!

Hendry lavitra mihitsy, tsy mba tia manao androvo,
Toy izay nataonareo tia manarama andian-jatovo,
Fa mitaona ny rehetra, hijoro, tsy hitazantazana.
Ka hamelona ao anatiny ny fitiavan-tanindrazana!

Ny azy tsy ny laingalainga, tsy izany no mibahana.
(Tsy kabary feno sira, miharo habobo fidedahana!)
Fa dia teny tsotra ihany no ao anaty fanentanany,
Mariky ny fo madio sy fahendrena izay ananany!

Tena hendry raha tsaraina ny mpanohitra amin’izao.
Tsy ‘lay tanora mievotrevotra, tia manao ny tsy fanao,
Fa tena misy fivoarana azo mba tsapaina tanana,
Ary irina mba hitondra ho amin’ny tena fiadanana!

…Mahereza ry mpanohitra, aoka tsy hiala vehana.
Mila anao ‘ty firenena eo an-dalam-pilentehana.
‘Andeha hiaraka manonja, avia ka hafanao ny fatana,
Fa ny gasy manontolo no miandrandra fisandratana!

TSIMIMALO (15-02-21)