Fanambarana avy amin’ny vondrona parlematera TIM manoloana ny sakana ataon’ny fitondrana

FANAMBARANA

Manoloana ny sakantsakana apetraky ny rnpilandro ny filaminana, manohintohina ny fahafahan’ny olona mivezivezy ato amin’ny tananan’ Antananarivo sy ny avy any amin’ny faritany miditra eto Andrenivohitra dia manameloka tanteraka ny fomba fiasan’ny fitondràna izahay. Koa mitaky ny hamahana ireo sakana ireo tsy misy atak’andro satria zo fototra omen’ny lalam­panorenana ny fahafahana mivezivezy eto amin’ny tanin’ny Repoblika’i Madagasikara.

Toherinay ihany koa ny fisamborana ireo olona tonga eny Analakely sy ny manodidina ka mitaky ny hamoahana azy ireo tsy misy fepetra.

Miantso ireo vahoakan’Antananarivo izay hihaino ny tatitra ataon’ny Solombavarnbahoaka mba tsy hihemotra manoloana ny jadona sy ny fanaparam­pahefana ary koa ny antsojay ataon’ny inpilondra.

Ny vondrona parlematera Tiako i Madagasikara