EDITO 20 Febroary – Tsy vitan’ny fitondrana ny manome fanazavana marina ilain’ny vahoaka

Sôh’son

Toe-javatra iray tsy ahenoina filazana amin’ny fomba ofisialy avy amin’ny fitondrana, ny momba ny fisokafana na tsy mbola, ny vavahady an’habakabak’i Madagasikara. Tokony hampahafantarina amin’ny vahoaka mazava anefa ny momba izany. Ny manaitra ny sain’ny maro dia ny fahenoina matetika amin’ny haino aman-jery, fa misy sidina izany na fiaramanidina tonga mitranga eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato.

Vao afak’omaly izao no nahitana tamin’ny fampitam-baovao, ny filazana avy amin’ny masoivoho frantsay eto amintsika, manao filazana ny amin’izay olona afaka mankany Frantsa sy ny tsy afaka miditra any. Tamin’ny herinaandro ihany koa dia nahenoina olona hivoaka any ivelany; teo ihany koa ny filazana tamin’ny haino aman-jery hisian’ny fiaramanidina avy atsy amin’ny Nosy Kaomoro, sns… Zary toa misy ny fiaramanidina mivoaka sy miditra eto. Ka inona no marina, misokatra ve sa tsy misokatra ny seranam-piaramanidina sy ny fisian’izany rehetra izany? Mila fanazavana mazava tsara amin’ny vahoaka izany, mba tsy hisian’ny honohono izay lasa ambara ho tsaho avy eo? Inona no fepetra noraisin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao momba ny fifamoivoizana an’habakabaka eto Madagasikara? Mila valiny mazava ny amin’izany ny vahoaka malagasy.

Etsy ankilan’izany rehetra izany, mahavariana ny fifikiran’ny fitondrana amin’ny fanaovana politika lany andro. Fomba natao tany amin’ny andron’ny tetezamita no mbola tohizana ihany. Midika ho tsy mifanaraka, fa mifanohitra mihitsy amin’ny hafainganam-pandehan’ny lamasininy izany. Fomba fiasa sy paik’ady politika nampiasaina efa an-taonany maro no mbola ifikirana kanefa efa hitan’ny maro, fa toy ny lainga marivo tototra ihany. Tamin’ity herinandro ity, vantany vao niezaka nametraka ny taratasiny ofisialy milaza ny hanao tatitra amin’ny sabotsy izao ireo solombavambahoaka Tim eto Antananarivo renivohitra, dia hita ho nikoropaka be ihany ny eo anivon’ny fitondrana, sy ireo manam-pahefana isan-tokony. Hatrany amin’ireo mpanao gazety mpanohana ny fitondrana avy aza no manao famakafakana sy fanazavan-kevitra tailana. Ny avy eo anivon’ny kaomina Antananarivo renivohitra (CUA), no zary lasa nihomehezan’ny olona fotsiny sisa amin’ny filazana ataony momba ny asa tanterahiny eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo.

Efa fantatry ny olom-pirenena mantsy, fa fanaon’izao fitondrana sy ny olony hatramin’ny taona 2009, rehefa izy no manao ilay zavatra dia mety ary rehefa hanaraka izay ny hafa dia tsy mahazo manao. Ohatra amin’izany ny kianjan’ny demôkrasia notokanany tamin’ny fotoan’androny rehefa avy nanongam-panjakana izy, dia tsy nisy nahazo nankeo intsony n’iza n’iza taty aoriana. Toe-tsaina inona izany? Azo adika tsotra izany amin’ny tsy fahamarinan-toeran’ny fanaovan’ny fitondrana politikam-pitantana tsy mazava eto amin’ity firenena ity.