Miara-manonja manokana, tany amin’ny Ivon’i Madagasikara – Fanombohan’ny farany amin’ny ady amin’ny tsy rariny

Isambilo

Notanterahina tany amin’ny ivon’ny Ivon’i Madagasikara tany amin’ny Farihin’Itasy, any amin’ny kaominina Ampefy, distrikan’i Soavinandriana faritra Itasy ny sabotsy 13 febroary lasa teo, ny fandaharana Miara-manonja manokana.

Araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra amin’izany fandaharana izany, iny fotoana iny no fanombohan’ny farany amin’ny ady amin’ny tsy rariny rehetra misy eto Madagasikara, izany hoe: fanombohan’ny farany ihany koa ho an’izao fitondrana Andry Rajoelina izao. Izay no azo hamehezana ny voalazan’ireo mpanentana ny sabotsy 13 febroary lasa teo iny. Ireo mpanentana izay nahitana ny mpanao gazety sady ministry ny serasera teo aloha: Andrianjato Vonison, ny mpanao politika Guy Maxime Ralaiseheno, ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, ny mpanao gazety Faniry Razafimanantany, ny depiote Rodin Rakotomanjato, ny mpanao politika Eric Randrianaivo ary ny depiote Fidèle Razara Pierre.

Natao ho teboka iaingana amin’ny fametrahana ny firaisankina sy fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy izao, hoy ny hafatra nandritra ny fandaharana. Vahoaka tsy mirotoroto anefa isika hoy ny depiote Fidèle Razara Pierre, mpanangana isika fa tsy mpandrava, hoy izy ary hijoro isika hampahafantatra ny mpitondra, fa izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika. Ny mpitondra mandalo ihany fa ny vahoaka tompom-pahefana kosa mitoetra, hoy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa. Anisan’ny naneho hevitra mandritra ity Miara-Manonja manokana ity ihany koa i Andrianjato Vonison.

Tsara ho marihana fa tany Itasy no natao ny fakana ny feo sy ny sary araka ny efa voalaza teo. Tsy tongatonga ho azy izany, fa safidy manokana satria eo no ivon’i Madagasikara ka ataontsika teboka hanaingana ny fanovana, hoy ny Hetsika Miara-Manonja. Ny Farihin’Itasy tokoa no ivon’i Madagasikara, nohamarinin’ny Mpanjaka Andriambahoaka afovoan’ny tany izany tamin’ny fotoan’androny, naniraka olona nianatsimo sy nianavaratra izy, nisy koa ireo nianatsimo sy nianavaratra. Refeha samy nandeha tany izy ireo, dia niara-tonga avy eo, nanaporofo izay maha-ivon’i Madagasikara, ny ivon’io farihy vôlkanika io izay. Tany masina ny Nosintsika hoy izy ireo, ka mariky ny fampiraisana ihany koa ny fanombohana ny hetsika ny sabotsy teo iny.