Miara-manonja sy ireo depioten’Antananarivo – Sabotsy izao no fotoana ao Ambohijatovo

Helisoa

Andro manokana nosafidian’ireo mpitarika ao amin’ny Miara-manonja ny sabotsy 13 febroary 2021 teo, nentina anamarihana ny dingana vaovao izoran’izy ireo. Toerana manokana manan-tantara koa no nosafidiany nentina nampitàna izany tao anatin’ny fandaharana Miara-manonja manokana nifandimbiasan’izy ireo tamin’ny tora-po. Eo amin’ny farihin’Itasy misy ny Ivon’i Madagasikara ara-tantara no nentiny nanambaràna ny fahavononany hijoro eo anatrehan’ny asa fanoherana masina miandry eo anatrehan’ny firenena.

Miendrika asa masina tokoa ny zavatra atrehany sy ijoroan’ny Miara-manonja, satria mampahafantatra ny zava-misy marina sy tsy mety eto amin’ny firenena, milaza ny mankarary ny vahoaka. Ary ao anaty izany fanatanterahana izany asa masina izany no amendrofendroana azy ireo, sy anakantsakanana ny fandaharana amin’ny fomba rehetra. Sakanana amin’izao fotoana izao ny fahafahan’i Vonison Andrianjato sy i Guy Maxime Ralaiseheno hivezivezy malalaka. Nahazo fiantsoana koa i Guy Maxime omaly, ho tonga eny Fiadanana ao amin’ny sampana fikarohana momba ny heloka bevava, mba ho henoina mikasika ny fanelezana vaovao manohintohina filaminam-bahoaka, sy fitarihana hankahala ny mpitondra fanjakana.

Sakanana araka izany ireo miezaka mampahafantatra sy mampahalala ny marina eo amin’ny fiainam-pirenena. Tadiavin’ny fitondrana ampiasaina ny hery famoretana entina hanafenana ny tsy fahaiza-mitantana, kanefa raha ny tokony ho izy dia ny hanitsy ny tsy mety ataony no ezahan’ny Miara-manonja sy ny mpanohitra. Tsy mahasakana ny fitohizan’ny fandaharana Miara-manonja anefa ireo antsojay, fampitahorana, famimgampinganana ataon’izao fitondrana izao, fa andrenesana foana ny fidirana an-tarobia mivantana ireo izay tadiavina sakanana. Hitohy foana ny fikatsahana ny tombontsoam-bahoaka ary ny fampahafantarana izay fihetsiky ny fitondrana mifanipaka amin’izany.

Hitohy araka izany ny tatitra efa natombok’ireo solombavambahoaka tany amin’ny distrika ivelan’Antananarivo, ka eto amin’ny Renivohitra indray ao amin’ny Kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo no fotoana ny sabotsy 20 febroary 2021, hanomboka amin’ny 9 ora maraina, no hanao ny tatitra ireo depiote miisa 6 avy amin’ny mpanohitra eto Antananarivo Renivohitra, dia ny depioten’ny Boriboritany I : Me Hanitra Razafimanantsoa, ny depioten’ny Boriboritany faha-2 : Rastany na Randrianarisoa Stanislas, ny depioten’ny Boriboritany faha-3 : Feno Ralambomanana, ny depioten’ny Boriboritany faha-4 : kolonely Ramboasalama Emilien, ny depioten’ny Boriboritany faha-5 : Fetra Ralambozafivololona ary ny depioten’ny Boriboritany faha-6 : Todisoa Andriamampandry.

Mazava ho azy fa hanotrona azy ireo ny Miara-manonja sy ny vahoakan’Antananarivo. Efa tafapetraka omaly ny taratasy fampahafantarana izany, nomena ny prefektoran’Antananarivo Renivohitra . Ka amin’ny sabotsy izany mifankahita ao amin’ny Kianjan’ny Demokrasia e !