Fitondrana ankehitriny – Ny lohany mihitsy no matsatso

Ny Valosoa

Manoloana ny tsy fahombiazan’ny fitondrana tarihin’Ingahy Andry Rajoelina dia misy ireo mpanao politika mila ranondranony, sy te hahazo seza, no mandamindamina amin’ny hoe : ny Filoha dia tena tsara saingy ny manodidina azy no fositra , ka tokony ho esorina sy soloina ireo mamitaka ny filoha ireo.

Dia manantena ny ahazo rariny any amin’Ingahy Filoha ireo manao ny fanambarana, kanefa raha ny hita hatramin’izao dia tsy misy eritreritra na dia kely akory aza Ingahy Filoha hanova ireo olony, ny tena marina dia izy no nifidy ireo mpiara-miasa aminy, sady mety amin’ny fomba fijeriny sy ny fari-pahatakarany ireo voatendriny ireo.

Aoka tsy ho adinoina fa fanonganampanjakana sy fifidianana feno hosoka na “doublon”, no nahateo amin’ny fitondrana ny Filoha ankehitriny, ka ny olona toy izany dia sahirana vao mahita olona madio sy azo antoka hiara-hiasa aminy.

Ny mampiomehy amin’ireo mpila ranondranony ihany koa dia misy mihitsy ireo mahavita miteny hoe i Prezidà dia haingampandeha araka ny anarany hoe Tgv, ka tsy maharaka izany hafainganana izany hono ireo mpiara-miasa aminy, ny tena marina anefa dia kinga amin’ny fihetsika ivelany tsy mitondra fampandrosoana Ingahy Filoha, fa faran’izay mitavozavoza amin’ny fandraisana andraikitra mahasoa ny firenena, ny porofo dia tsy misy vokatra misongadina eo amin’ny fanasoavam-bahoaka , fa dia ireo resaka tsy ihinanan-kaniny no maha maika ny fitondrana.

Fa raha toa ka tsy mahomby ny fitondrana , tsy tokony hahilika any amin’ireo mpiara-miasa, fa ireo lohany mihitsy no matsatso sy tsy alehany araka ny fitenin-jatovo, tafiditra ao anatin’izany lohany izany ny Filoha mazava ho azy, ny Praiminisitra ary ny Minisitry ny atitany, sns…

Mikasika ny filoha dia tsy iadiankevitra intsony ny tsy fahombiazany hatramin’ny fitondrana tetezamita, ka hatramin’izao efa “ ara-dalàna“ noho ny doublon izao. Ny bainga voavadika no vavolombelon’ny mpiasa, f’Ingahy Praminisitra sy ny Minisitra miadidy ny atitany dia efa taorian’ny hetsiky ny depiote 73 no efa teo amin’ny toerany, ny nametrahana azy ireo teo dia ny mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary tsy mitanila, kanefa dia mazava be, fa nitongilana nanao izay nahalany an-dRajoelina ny nataon’izy ireo teo, samy nahalala izy roalahy ireo, fa nisy lesoka ny lisipifidianana, saingy samy tsy nikotaba satria mety tamin’ny iraka nampanaovina azy izany, vita ny fifidianana dia mbola tafaverina teo amin’ny toerany izy roalahy, Ingahy Praiminisitra moa dia tsy afa-miala, fa tompon’andraikitra feno amin’ny tsy fahombiazan’ny mpanantanteraka miaraka amin’Ingahy filoha ary Ingahy Minisitry ny atitany indray dia ireny niaraha-nahalala ireny ny resaka “ecran plat”, sns… tsy mbola voahilika ary tsy voaheloka , fa ny Pr Ahmad Ahmad minisitra niadidy ny fahasalamambahoaka indray no voadaka satria nampihàtra ny mangarahara.

Ho an’izay miandrandra fiovana amin’ny fiandrasana ny fanovana olona ataon’Ingahy filoha dia toa manonofy atoandro ihany izy ireny, satria ireo mpiara-miasa amin’Ingahy filoha anie, ka mitovy toetra aminy ny ankamaroany, ary tsy azony ahilika satria efa mahalala zavatra maro, fa ireo mihevitra azy ho olombaovao dia ho sasa-poana eo miandry ny tsy hisy.

Koa raha tiana ny isian’ny fiovana eto amin’ny firenena dia aza manantena n’inon’inona intsony amin’ny mpanendry sy ireo akaiky azy satria ireo lohany ireo mihitsy no efa matsatso, ka dia manaraka ny hatsatsony koa ireo tarihiny, ary miantraika any amin’ny vahoaka ny vokatr’izany. Efa handray ny fepetra sahaza azy tsy ho ela ny vahoaka tompom-pahefana mahakasika izany tsy fahombiazan’ny mpitondra izany, miainga avy any an-tampony.