TANTARA MITOHY…

Mitohy hatrany hatrany ny haratsiam-panahy
Ataon’ireo mpitondra tia asan-jiolahy,
Ka ny olona madio mitoetra am-pahanginana,
No re fa hodidinina mpitandro filaminana!

Naranty koa ny basy, navoaka ireo “bebokona”,
Hamoritra, hangadra ireo sefon’ny mpitokona.
Ny zava-misy anefa: mitohy ny fitokonana,
Na eo ny herisetra miharo fandrahonana.

Mitohy ny fikasana ny hampiditra any am-ponja
Ireo lohany mpitarika ny “miaraka manonja”,
Satria mafanafana ny tranga tato ho ato,
Ka dia naely hoe: mpandainga ry Ndrianjato!

Miharihary koa ny enjika misesy
Mahazo ireo mpivarotra mampiasa ny kalesy.
Vao mainka feno fatra ny kaopim-pahoriana,
Fa ny mahantra hatrany no indreo fa nosaziana!

Dia asa izay hiseho, ny ampitso no hanambara,
Fa miharatsy hatrany ny tohin’ny tantara.
Tsy mahazaka mantsy, kanefa “te hanao”
Ry tambatra vavana tsy misy kalitao!

DADAN’i ZINA (12-02-21)