Ampijalian’ny fitondrana – Mbola tsy nomeny LP ihany Rolly Mercia

Ny mpanao gazety sady ministra teo aloha, Rolly Mercia.

Isambilo

Tena ampijalian’ny fitondrana mihitsy ny ministra teo aloha Harry Laurent Rahajason, na Rolly Mercia, efa tena marary ity mpanao gazety ministra ity, nefa mbola tsy nomen’ny fitondrana fahafahana vonjy maika ihany omaly, nandritra ny fitsarana nangatahan’ny mpisolovava azy fangatahana fahafahana vonjy maika, na LP.

Efa nijoro vavolombelona anefa ilay nitoroka azy dia i Emilien, fa nisy naniraka izy hanendrikendrika ity mpanao gazety ity, nefa dia mbola tsy noraharahian’ny fitsarana izany. Arak’izany, miverina eny am-ponjan’Antanimora indray aloha ity minisitry ny serasera teo aloha ity mandra-piandry ny fotoam-pitsarana manaraka, tena antsojay tsotra izao no ataon’ny fitsarana sy ny mpitondra azy. Mahakasika ity raharaha ity, mitazona ny teniny i Felicien ary nanamafy, fa raha ilaina ny hitenenana ny anaran’ilay Olom-panjakana dia ho lazainy izany.

Raha tsiahivina, ny herinandro lasa teo i Felicien no nanolotra taratasy ho an’ireo Mpitsara, ary nanazava ampahibemaso, fa notambazana izy hitazona an’ity minisitry ny serasera teo aloha ity. Hatrany ampiandohana no efa tsikaritry ny maro, fa zavatra namboamboarina ilay fanenjehana, ary toa tsy misy akory ny vesatra itazonana an’i Rolly Mercia. Arak’izany, tokony efa havela hody any amin’ny vady aman-janany amin’izay izy ary ho afaka hitsabo tena araka ny tokony ho izy.