Depiote Me Hanitra – Tsy mangataka fiaraha-mitantana amin’ny mpitondra ny Miara-Manonja

Niaina

Nazava tsara ny teny nataon’ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa tao amin’ny fandaharana Miara-manonja, tsy nangataka, tsy mangataka ary tsy hangataka fiaraha-mitantana amin’ny mpitondra velively ny Miara-manonja. Na manana tolo-kevitra momba izany aza ny mpitondra hoy izy, tsy ho ekena izany.

Nohazavainy, fa raha mitady fifampiresahana amin’ny FFKM izy ireo dia Raiamandreny sy Zanaka miresaka, fa tsy mitady hoe ampihavano amin’ny mpitondra. Mpitondra efa tsy mahomby tokoa, ka tsy mety no mbola hiara-hitantana sy hiara-hiasa aminy.

Fitondrana Rajoelina miala ihany no vaha-olana amin’izao krizy politika misy eto amin’ny firenena izao, satria fitondrana tsy mitsinjo vahoaka, fitondrana manilika sokajin’olona maro, fitondrana mandainga, fitondrana tsy mahay mitantana,…