Mila gadraina ny Tambatra – Nanely vaovao tsy marina, nanala baraka mpitandro filaminana

Stefa

Mahakasika ny resaka tao amin’ny fandaharana Tambatra nilaza fa nisy fitaovam-piadiana tratra any Nosy-Be ary nambaran’izy ireo fa nampidirin’ny mpanohitra. Nisy mersenera Afrikana Tatsimo niditra tany Nosy-Be, ka ny filoha Marc Ravalomanana no nolazain’izy ireo fa nanafatra azy ireo. Namaly izany ireo ao amin’ny fiarovana sy mpitandro filaminana eto amintsika dia ny ministry ny fiarovam-pirenena, ny ministry ny filaminam-bahoaka ary ny sekreteram-panjakana amin’ny zandarimariam-pirenena, fa tsy marina ny filazana nataon’ny tao amin’ny fandaharana Tambatra. Arak’izany, sady fanalam-baraka ny mpitandro filaminana sy ny fiarovam-pirenena Malagasy, no fanelezana vaovao tsy marina, no fanalam-baraka olona, no fanohintohinana ny filaminan’ny firenena no nataon’ireo mpanao gazety tao amin’ity fandaharana karamain’ny fitondrana ity, ka tokony ho gadraina izy ireo noho izany. Tsy tokony hisy ny tombo sy hala, fa tena miteniteny foana ireo olona ao amin’ny Tambatra ireo. Toy izao no navalin’ireo tompon’andraikitra voalohan’ny fiarovana sy filaminana eto amintsika mahakasika ireo raharaha mersenera sy fitaovam-piadiana ireo: tsy misy fitaovam-piadina sy mpikarama an’ady (mersenera) tafiditra izany eto Madagasikara, hoy ireo minisitra tompon’andraikitry ny fiarovana sy ny filaminana ireo. Ny dikany, mitambatra mandainga izany ireo mpanao gazety niteny ny mifanohitra amin’izay. Tsaho be tiana aely fotsiny izany, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Léon Richard Rakotonirina. Ny seranana Nosy-Be irery ihany no afaka mandray vahiny izao; tsy misy fitaovam-piadina na mersenera izany tany an-toerana. Resaka hanakorontanana saim-bahoaka fotsiny izany rehetra izany, hoy ny minisitry ny polisimpirenena. Na mety hisy aza izany, izahay koa dia nanao Ecoles de guerre, ka tsy hatahotra izay mersenera vitsy eo, hoy kosa ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Richard Ravalomanana.

Tompon’andraikitry ny seranan-tsambon’i Nosy-Be

Momba ireo raharaha ireo: lohateny lehibe noezahina naparitaka tamin’ny haino aman-jery manohana ny fitondrana ankehitriny ary ny tambazotra serasera FB nanomboka tamin’ny alatsinainy 8 febroary, ny fisian’ny fitaovana sy mersenera nafaran’ny mpanohitra sy ny filoha Marc Ravalomanana tratra tao Ankify Nosy Be Hell-Ville.

Fomba fiady mahazatra eto amin’ny firenena io rehefa misy ny raharaha mafana, indrindra ara-politika. Tsy tompon’andraikitra amin’izay miseho ny fanjakana, fa ny mpanohitra foana no lazaina, fa ao ambadiky ny fanakorontanana sy ny zavatra ratsy rehetra. Nifampiresaka tamin’ny mpanao gazetin’ny MBS ny tompon’andraikitra iray tao amin’ny seranantsambon’i Hell-Ville, ka izao no voalaza: “Ilay olo mi-soupçonne fa arme ilay raha. Amin’ny fomba ahoana avitantsika mi-découvert raha io anaty sambo. Izao zaho miteny izao, mi-débarquer azy irô zao amin’ny sambo. Container io. Sambo vao avy eto Nosy Be. Bateau porte-container. Zaho matoky fa armes raha be izy io d’après renseignement … tsy sakin’ireo mantsy mijotso izy ireo ao Tamatave dia ajotson’ireo aty. Telo container mi-debarque ao.” Ny talata anefa, fantatra fa tonga teny an-toerana ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. “… Ny receveur de douanes niantson-drô eky à Tana. Avy androany izy. Kamiaon’i Sirose no mandray azy. Izay ilay tompon’ny camion. Karana. Sirose Djamanjary. Miala akeo izy handeha depoter-ny ndrô ambadika any… ladoany jiaby alerte … Sophitsicated Lady, izay anaran’ny sambo … Diego Suarez”. Raha ny mpanohitra no nanafatra ireo, nahoana no ny tompon’andraiki-panjakana no tonga teny an-toerana?
Nisy indray ny 11 febroary ny fanampi-baovao. Nandrenesana fa tao an-toerana ny mpanolotsainan’ny filoha Andry Rajoelina. Efatra ny kaontenera ary voalaza fa mpanolotsainan’ny filohan’ny Repoblika no tompon’izy ireo, ka ny iray amin’ireo no ahiana ho fitaovampiadina no ao anatiny. Raha ny fanadihadiana dia isan’ny maha-talanjona ireo mpiasa eo anivon’ny seranantsambon’i Nosy- Be dia ny fihetsehan’ireo kaontenera miisa 150 isaky ny roa andro, ary tantanan’ny orinasa antsoina hoe ‘SAM’.

Hotel Ravintsara

Mikasika ireo mersenera izay nolazaina, fa nafaran’ny filoha Marc Ravalomanana, dia fantatra fa misy tokoa ireo teratany afrikanina tatsimo saingy mpiasan’ny ASECNA ireo dimy lahy ireo ary mipetraka ao amin’ny Hotel Ravintsara. Efa nisy ny tranga tahaka izao tamin’ny taona 2016, ary nandray andraikitra ny fanjakana tamin’izany fotoana izany, ka nisy ny fisavàna natao. Inona izany no sakana tsy andraisan’ny fanjakana ankehitriny andraikitra mikasika ny kaontenera izay mampiahiahy ny maro efa andro maro? Raha tsiahivina, toy izao no voalaza tao amin’ny fandaharana Tambatra , niteny izany ny mpanao gazety Jean Claude Andriamalala (VIVA); nivoaka tamin’ireo gazety mpomba ny fitondrana koa izany vaovao tsy marina izany: “Misy fitaovam-piadiana tratra ao Ankify, any Ambanja … fantatra fa ny avy amin’ny mpanohitra no nanafatra an’ireo, nampiditra antsokosoko an’ireo tany Ankify. Fantatra koa tamin’ny alahady teo fa misy mpikarama an’ady nafaran’ny mpanohitra, izay efa tonga ao Nosy Be nentin’ny fiaramanidina Ethiopian Airlines.”
Andrasana arak’izany ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro ny filaminana, sy ny fitsarana, hanasazy azy ireo.