Fitokonan’ny mpianatra ho mpitsabo – Nirefotra ny lakrimôzena, rakotra sekotra Ankatso

Nafana ny hetsiky ny mpianatra ho mpitsabo teny Ankatso.

Stefa

Nirefotra indray ny lakrimôzena, rakotra setroka ny teny amin’ny Oniversite Ankatso omaly. Nitokona nidina an-dalambe ny mpianatra mpitsabo, na ny mpianatry ny medicine. Nandrehitra kodiarana nanakan-dalana izy ireo teo amin’ny toeram-piantsonan’ny taksibe 119, ka naparitaky ny mpitandro filaminana tamin’ny fandefasana baomba lakrimôzena, na baomba mandatsa-dranomaso. Rakitra tokoa ny fitokonan’ireo mpianatra ho mpitsabo, taona faha-2 ka hatramin’ny taona faha-6 ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Nanomboka omaly zoma, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina teo izany. Zavatra maromaro no angatahin’ireo mpianatra manoloana izao fitokonana izao. Nabaribarin’izy ireo tamin’ny alalan’ny sora-baventy izany. Mangataka ny hanomezana ny vatsim-pianarana 5 volana amin’ny taom-pianarana 2020 – 2021, miaraka amin’ny “allocation de stage” tamin’ny taona 2018 – 2019 ireto mpianatra ireto. Mijaly izahay hoy ireto mpianatra ireto, ka mangataka ny hamaliana ny hetahetany izy ireo. Tsy hijanona ny hetsika raha toa ka tsy mivaly izany fangatahana izany.