Vary Tsinjo: patsa indray mahandro atao tampi-maso

Andry Tsiavalona

Efa misy amin’izao fotoana izao ny fanenjehana ny mponina eto an-drenivohitra, ho mpanangana sy mpanongana ny fitondrana nisy teto amin’ity Nosy. Marina amin’ny ampahany izany satria tsy ny mponina teto no nanongana na namono ny filoham-panjakana, ny Kolonely Ratsimandrava Richard, ny 11 Febroary 1975. Tsy nisy hetsi-bahoaka ihany koa ny nametrahan’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel fialàna, fa noho ny disadisa teo anivon’ny governemanta.

Ny ankamaroan’ny eo anivon’ny andrimpanjakana rehetra amin’izao Repoblika IV-2 izao dia nanongana tamin’ny alàlan’ny basy aman-tafondro, ny Filoha Ravalomanana Marc ny volana Martsa 2009. Ny lazaina fa vahoaka nihetsika tamin’izany dia tsy avy eto amin’ny Faritanin’Antananarivo avokoa, fa maro ny avy any amin’ny Faritany dimy hafa. Lazaina foana fa tsy Antananarivo no Madagasikara, ary marina izany, saingy amin’ny maha renivohitra azy dia maro ny mpiray tanindrazana monina eto, izay azo antoka fa nandray anjara tamin’ny fanonganana na fifidianana ireo mpitondra nifandimby.

Misy milaza ihany koa fa ny mponina tany amin’ny Faritra no nifidy ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao, ka tsy maintsy miaro azy ny avy any amin’ny faritra. Rariny angamba izany kanefa manao ahoana ny fitsinjovan’izao fitondrana izao ny mponina any amin’ny faritra hafa ivelan’Antananarivo. Sahirana ny tantsaha mpamokatra lavanila any amin’ny Faritra Avaratra Atsinanana sy Atsinanana ary Atsimo Atsinana, satria tsy araka ny nampanantenain’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina ny vidiny ho avo telo heny, raha mihoatra tamin’ny vidiny tamin’ny taona lasa. Ampahatelon’ny vidiny teo aloha sisa no tsy maintsy namarotan’ny tantsaha ny vokatra lavanila amin’izao fotoana izao. Faty antoka iray lavaka izany no mianjady amin’ny mponina ka tsy mahaloa trosa, tsy afaka mampianatra zanaka, sns,… izy ireo amin’izao fotoana izao. Koa rehefa nirohatra nifidy ny filohan’ny Repoblika izany ny mponina dia na inona na inona fahadisoam-panantenana sy fahoriana mianjady aminy noho izany antony izany dia voatery tsy maintsy miaro ny nampindraminy fahefana ve izy? Tsy azo lavina fa ny mponina eto an-drenivohitra no sahy sy mihetsika hanoherana ny tsy rariny sy ny tsindry hazo lena ary ny fanaparam-pahefana ary tsy ho azy irery no anaovany izany, fa rehefa miteraka vokatsoa izany dia ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy no misitraka azy.

Amin’izao fotoana izao dia mihoatra lavitra amin’ny vidin’ny kapoakam-bary eto an-drenivohitra ny vidin’ny any amin’ny Faritra hafa. Rehefa tonga anefa ny vary fito tapitrisa taonina amidy dimanjato sy arivo ariary (1.500 Ariary) ny kilao sy menaka efatra arivo ariary (4.000 Ariary) ny litatra dia eto an-drenivohitra no atomboka ny fivarotana izany. Araka ny filankevitry ny minisitra tamin’ity herinandro dia nahena ho roanjato sy arivo ariary (1.200 Ariary) izany satria araka ny hita anefa dia tsy misy milahatra mividy izany ny mponina. Araka izany dia tsy misy fitsinjovana ny vahoaka nifidy azy any amin’ny faritra izany izao fitondrana izao.

Torak’izany koa tamin’ny fotoanan’ny valanaretina covid-19, ka nizarana ny “Vatsy Tsinjo”, “Tosika Fameno”, ny teto Antananarivo no nanombohana ny fizarana izany. Tsy mbola nisy vaovao sy akony moa ny momba ny “Kaly Mora” teto an-drenivohitra ary asa raha mba nisy koa tany amin’ny Faritra. Ny azo tsoahina amin’izany dia na dia omena tombony tahaka izany aza ny eto Antananarivo dia tsy manaiky lembenana ary mihevitra fa mihàtra aminy koa ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka any amin’ny Faritra. Tsy afaka mihetsika ary tsy manana mpitarika sahy manohitra ny any satria manindry mafy sy manao didikofehilehibe ireo manampahefana, eny hatramin’ireo olona nofidian’ny vahoaka, izay heveriny fa hiaro azy aza.

Mazava araka izany fa tambatambazana hatrany ny mponina eto an-drenivohitra na dia malaza ho mpanongana aza, satria rehefa feno ny kapoakany dia tsy hay tohaina ny fitobany, ka tsy mahaaro ny fitondrana ny soavaly sy kalesy aman’arivony.