NY MIARA-MANONJA SY NY HETSIKA MAFONJA

Miara-manonja - Fitsangantsanganana 6 febroary 2021

Kivy ratsy ireo mpitondra izay mampiasa “fomba ambany”,
Fa ny hetsi-panoherana mihamafy hatrany hatrany.
Tena tsisy tsy natao ny fomba ratsy sy antsojay,
Fa tsy nahomby ka dia asa raha hanova paika indray.

Andro maro mialoha dia efa be ny fanakanana.
Tao ny sotasota maro sy karazam-paminganana.
Saingy indreny ny vahoaka fa tsy laitra norarana,
Niatrika ny dia an-tongotra hamonjena “ilay kanana”.

Nandefasana “bebasy” hatramin’ny teny Faravohitra,
Sao heverina ho izany no hampiato ireo mpanohitra.
Saingy ireny indray no menaka nampidedadeda ny afo,
Ka ny vokany atsy ho atsy mety hovidiana lafo.

Tao ny fanakanan-dalana, nampiasaina ny zandary.
Tamy koa ireo polisy saingy indrisy tsy nanjary,
F’efa vonona ny maro, tongotra efa mby an-dakana,
Ka tsy nampihemotra azy ireo karazan-tsakantsakana.

Teny ho eny ireo “be sandry”, niandry baiko mba hidirany,
Kanjo tena niala maina fa toa tsy nahita rirany.
Hendry ireo mpitsangantsangana, nampiseho fifanajana.
Tsy araka ny feo naely hoe hanongam-panjakana.

Feno fatra ny hafalian’ireo mpanentana,mpitarika,
Fa dia tena nankatoavina ireo rehetra toromarika.
Na dia teo ny sotasota, fihantsiana teny ho eny,
Dia nilamina ny dia fa tsy nandaitra akory ireny.

Fahombiazana tanteraka,izay ny dia raha toa fehezina.
Efa akaiky ilay atao hoe “fianjerana miezinezina”.
Manga lo no efa tazana, antomotra ny fianjerany.
Aoka ho tony ry vahoaka eo am-piandrasana an’izany!

DADAN’i ZINA (08-02-21)